Mitady tonian-dahatsoratra ny Global Voices hitarika ny fandrakofany momba an'i Azia Afovoany Lehibe.

Ny fetra fisoratana farany dia amin'ny 14 feb 2021, 11:59 alina EST (GMT -4)

Sarin'ny tsena Osh any Bishkek. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratra manana fahatakarana sy fahalianana lalina ny lafiny momba an'i Afghanistan, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Mongolia, Tajikistan, Turkmenistan ary Uzbekistan ve ianao? Marisika ve ianao hamadika hevitra ho lasa tantara, lahatsoratra amin'ny haino aman-jery sosialy ary vokatra fanontàna hafa miaraka amin'ny vondrompiarahamonina iray marolafy?

Raha namaly hoe “eny” tamin'ireo fanontaniana etsy ambony ianao, azonao atao ny mieritreritra ny hangataka ny asan'ny tonian-dahatsoratry ny faritra Azia Afovoany Lehibe.

Ho andraikitry ny tonian-dahatsotratry ny faritra ny fikiràna / fanitsiana ny tantara nosoratan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices ary ny fanoratana tantara momba ny faritra. Mifantoka amin'ireo lohahevitra toy ny kolontsain'ny aterineto, fahalalahana maneho hevitra an-tserasera, teknolojia sy zo nomerika, ny zon'olombelona, ​​ny fahasamihafana sy ny fisoloana tena, ary ny fahasamihafana amin'ny fiteny ny tantaran'ny Global Voices.

Ny tonian-dahatsoratry ny faritra dia hiaraka hiasa ihany koa amin'ireo mpandray anjara na vondrom-piarahamonina isan-karazany izay manoratra lahatsoratra, mizara hevitra hotantaraina ary mametraka ny fandaharam-potoana famoahana ho an'ny faritra amin'ny alàlan'ny fanolorana hevitra, amin’ny alalan’ny fizaràna fahalalana ary fanomezana fitarihana.

Ny asan'ny tonian-dahatsoratra dia :

Ireo kandidà tafita amin'ny toerana dia:

Omena tombony ireo mpilatsaka hofidiana manana fahalalana ny fiteny ao Azia afovoany, ao anatin'izany ny Dari, Kazakh, Kyrgyz, Mongolian, Pashto, Tajik, Turkmen, Uyghur, ary Uzbek.

Fikambanana manerantany sy virtoaly ny Global Voices. Ny milana manodina ny efitrano fampahalalam-baovao Global Voices dia ekipa mpanonta miasa tapa-potoana izay miaraka miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny an-tsitrapo eran'izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay zara raha aseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana mifandraika amin'ireo toerana ireo. Tsy manana birao na foibe ny Global Voices. Ireo mpilatsaka hofidina dia tokony hahazo aina amin'ny fametrahana ny fandaharam-potoanan'izy ireo manokana sy ny fiasàna anaty tontolo iray virtoaly tanteraka.

Tena asainay manokana mba hisoratra anarana ireo mpirotsaka an-tsehatra mandray anjara amin'izao fotoana izao amin'ny tetikasa Global Voices.

Tapa-potoana no iasana amin'io toerana io ary horaisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina.

Raha hisoratra:

Alefaso amin'ny  jobs@globalvoices.org  ny famintinana sy taratasy filazana fahavononana, atao amin'ny teny Anglisy, izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho mendrika tsara amin'ilay toerana, ka lohahevitra ny hoe: Tonian-dahatsoratra ho an'i Azia Afovoany Lehibe: ny anaranao. Azafady, ampidiro ho toy ny failo .doc na .pdf  araikitra, ankoatra ny fampidirana azy ao anatin'ny votoatin'ny imailakao, ilay tatarsy filazana fahavononana.

Ny fetra fisoratana farany dia  amin'ny 14 feb 2021, 11:59 alina EST (GMT -4).

Exit mobile version