Hafaliana ho ahy ny manambara fa efa manomboka miasa ireo vohikala vaovaon'ny Lingua amin'ny teny Igbo sy Santali!
I Ashwani Murmu, mipetraka ao Inde, kosa no Mpitantana ny Fandikanteny amin'ny teny Santali. Ankoatra ny asany ao amin'ny bankim-panjakan'i Inde, mpikatroka manafa fo ho an'ny teny Santali ihany koa i Ashwani ary miasa ho an'ny fampiroboroboana ny teny Santali. Isan'ireo mpandrindra ny Wikipedia amin'ny teny Santali ihany koa izy! Azonao arahina ao amin'ny Facebook, Twitter ary LinkedIn izy!
Ary raha liana hiditra ao amin'ny Lingua Igbo na Santali ianao, fenoy ity taratasy ity ary hifandray aminao izahay! Zarao amin'ny tambajotranao ihany koa izany 🙂