Mifantoka amin'ny olan'ny fahasembanana ao Japana ny fifidianana

Kimura Eiko and Funago Yasuhiko.

Miomana hihaona amin'ny mpanao gazety ireo solontena vaovao voafidy Kimura Eiko (Ankavia) sy Funago Yasuhiko (Ankavnana) ao Reiwa Shinsengumi. Hoy ny vakin'ny soratra eo amin'ny sary: “Ny mpikambana ao amin'ny Diet (ihany) no miantoka ny fandaniany manokana amin'ny fanampiana sy ny fikarakarana.” Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube ofisialin'ny ANN. 

Tamin'ny 21 Jolay 2019, nifidy mpikambana 124 tamin'ny 245 ao amin'ny Lapan'ny Mpanolotsaina, antenimieram-pirenena ambony i Japana. Raha very seza 9 ny antokon'ny fitondrana Demokratika Liberaly (LDP), tsy nahatratra ny isa nantenaina ny antoko mpanohitra. Na dia tsy miova aza ny zava-misy ara-politika ao Japana, dia nampivandravandra ireo sakana atrehin'ny olona manana fahasembanana ny fifidianana tamin'ny volana Jolay raha miezaka mandray anjara amin'ny fiainana andavanandro izy ireo.

Misolotena ny antoko politika vao niforona, voafidy tao amin'ny antenimieran'i Japan i Kimura Eiko sy Funago Yasuhiko. Miaina amin'ny fahasembanana eo amin'ny atidoha sy tsy afa-mihetsika eo amin'ny tendany i Kimura, raha niaina efa ho roapolo taona niaraka tamin'ny aretina Amyotrophic Lateral Sclerosis (ALS), aretin-kozatra miha-mitombo izay mahatonga ny marary tsy hahafehy ny ankamaroan'ny hozany kosa i Funago. Samy miantehitra amin'ny seza misy kodiarana sy mpikarakara akaiky azy avy i Kimura sy i Funago mba hanatanterahana ny asa andavanandro.

Voafidy tao amin'ny fitambaran'ny fisoloan-tena nasionaly ao Japana, fa tsy tamin'ny distrikam-pifidianana eo an-toerana izy roa tonta. Nirotsaka ho anisan'ny Reiwa Shinsengumi, antoko politika vaovao tarihan'i Yamamoto Taro, mpanao politika mpandrendrim-bahoaka izay nahazo vato marobe noho ny mpifaninana hafa tamin'ny fizarana fisoloantena izy ireo. Nahazo seza roa ny antoko politika vaovao ary nanao laharam-pahamehana an'i Kimura sy Funago, ka very seza tao amin'ny Diet Japoney noho izany i Yamamoto, (mpitondra ny antoko) mbola ao anatin'ny Diet amin'izao fotoana.

Misy avy hatrany ny ohatra mivaingana amin'ireo sakana mahazo an'i Kimura sy i Funago taorian'ny nifidianana azy ireo nefa izay indrindra no niadian'i Kimura nandritra ny fanentanana nataony, araka ny teny filamatra nataony tamin'ny fifidianana hoe “manangana fiarahamonina ahafahan'ny olona sembana miaina anaty vondrom-piarahamonina” (障害 者 が が で生 き ら れ る 社会 に). Ohatra, ngeza loatra ny sezan'izy ireo misy kodiarana sy mandeha motera ka tsy tafiditra ao amin'ny lapa Diet ry zareo.

Tsy afaka manatrika ny Diet ireo voafidy vaovao Eiko Kimura sy Yasuhiko Funago, ary tsy tafiditra ao koa ireo seza misy kodiarana. Samy mahazo fikarakarana goavana ara-pahasembanana any an-trano izy roa ireo nefa tsy omena ireo izay miasa izany (raisina toy ny asa ny fanatrehana ny Diet). Iadian-kevitra ankehitriny izany olana izany https://t.co/zJiw85eu00 pic.twitter.com/kdIsRfbufW

Milaza i Michael Peckitt, mpampianatra ambony, mpaneho hevitra momba ny olana mikasika ny fahasembanana sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices fa manasongadina ny tsy fisian'ny fitsipika sy politikam-panjakana izay mampihena tanteraka ireo sakana ho an'ny olona manana fahasembanana any Japana ny haben'ny seza misy kodiarana mandeha motera.

“Inona no dikan'ny ‘tsy misy sakana’, na mazava kokoa hoe” azo idiran'ny seza misy kodiarana “ho an'ny governemanta japoney?” hoy i Peckitt. Ohatra, raha mikasika ny governemanta, raha ny mikasika ny efitrano fandraisam-bahiny, dia azo heverina fa azo hidirana ny trano rehefa mirefy 70sm ka hatramin'ny 80sm ny varavarany.”

Nilaza i Peckitt fa tsy sahaza mihitsy ho an'ireo mpampiasa seza misy kodiarana ny refy ofisialy voasoratra ao amin'ny fitsipi-panjakana Japoney, ary noho izany, dia miatrika olana ara-pitsarana hatrany izy ireo.

Ankoatra izay, tsy afaka manindry ny bokotra ampiasaina amin'ny latsa-bato ao amin'ny Diet i Kimura sy i Funago, ary voaràra tsy mahazo miditra ao amin'ny parlemanta mba hanampy azy ny  mpikarakara azy ireo. Afaka esorina ao amin'ny Diet ireo mpanao lalàna roa ireo satria manitsakitsaka ara-teknika ny fitsipi-pitafiana parlemantera hentitra izy ireo.

Taorian'ny fifidianana ny 21 Jolay, nampanantena haingana ny komitin'ny parlemantera fa hanova ny fitsipiky ny fitafiana ho an'izy roa tonta, ary hamela ireo mpikarakara hanaraka azy ireo ao amin'ny lapa Diet. Fanampin'izany, nanomboka niasa haingana ny Diet mba hanova ny toerana handraisana an'i Kimura sy Funago.

Tsy mbola mazava raha ny Diet Japoney no hiantoka ny karaman'ireo mpikarakara an'i Kimura sy Funago izay ahafahan'izy ireo manao ny asany – tombanana fa mitentina 1,3 tapitrisa yen (12 000 dolara amerikana) isam-bolana izany fandaniana izany. Hatramin'ny naha-voafidy azy ireo tamin'ny volana Jolay, nahazo vola fanampiana ho karaman'ireo mpikarakara azy ireo i Kimura sy i Funago tamin'ny alàlan'ny fiantohan'ny fanjakana. Na izany aza, ao anatin'ny drafitra fiantohana ataon'ny fanjakana, raisina toy ny “asa ara-toekarena” ny asan'i Kimura sy i Funago amin'ny maha-mpikambana an'i Diet azy ireo, izay tsy tafiditra amin'ny fanampiana ara-bola. Raha tsy misy fanampiana avy amin'ny Diet, dia tsy maintsy izy roa tonta ihany no miantoka ny lany amin'ny fikarakarana azy isan'andro amin'ny fanaovana ny asan'izy ireo amin'ny maha solontena voafidy.

Hatramin'izao dia nandà tsy hamerim-bola ho an'i Kimura sy Funago tamin'ny karaman'ireo mpikarakara azy ireo ny komity Diet tompon'andraikitra amin'ny fametrahana sy ny fitantanana ny lalàna mifehy ny fandaniana ilaina ho an'ny mpikambana Diet, fa mbola hiara-midinika amin'ny governemanta kosa mba hikaroka vahaolana momba ireo fandaniana ireo.

Manasongadina ny sakana mahazatra atrehin'ny olona manana fahasembanana any Japana rehefa miezaka mandray anjara amin'ny (tontolon'ny) asa ny zava-tsarotra atrehin'i Kimura sy i Funago amin'ny famatsiam-bola ny fanohanana ilain'izy ireo.

Mbola tsy niditra tao amin'ny parlemanta ireo mpanao lalàna roa, kanefa dia manalalaka ny sakana ao amin'ny (antenimiera) sahady, hoy i Yamamoto Taro, mpitarika ny antoko Reiwa Shinsengumi, tamin'ny resadresaka taorian'ny fifidianana. “Na dia kely kokoa noho ny antoko roa mpanohitra aza izahay, dia heveriko fa misy fiantraikany lehibe tokoa.”

“Amin'ny ankapobeny, rehefa any amin'ny toeram-piasana, dia tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana manokana ny mpiasa sembana ny orinasa, sakana fanampiny ho an'ireo manana kilema ny mahita toeram-piasana manaiky izany,” hoy i Josh Grisdale, olom-pirenena Japoney teraka tany Kanadà sady mpanolo-tsaina amin'ny fahazoa(n'ny sembana) miditra izay mitarika fanadihadiana momba ny fahafahan'ny (sembana) ao Japana amin'ny anaran'ny Sampan-draharahan'ny Fizahan-tany ao Japana, tamin'ny antsafa antserasera niarahana tamin'ny Global Voices.

“Satria mandinika akaiky ny zava-misy amin'ny asa ho an'ny manana fahasembanana ny mpanao politika, dia antenaina fa hiova ny lalàna ary ho mora kokoa ho an'ireo manana fahasembanana ny handray anjara bebe kokoa eo anivon'ny fiarahamonina,” hoy izy.

Nilaza i Grisdale fa hiteraka rafitra mirindra kokoa izay hanampy ny olona maro an'isa manana fahasembanana handray anjara amin'ny tsenan'ny asa ny politika rehetra mampihena ny vesatra ara-bola eo amin'ny mpampiasa sy ny mpiasa amin'ny fandoavana ny fikarakarana ny sembana .

Takian'ny lalàna ireo orinasa Japoney mba hiantoka fa mandrafitra ny 2,2 isanjaton'ny mpiasa miasa ao aminy ny mpiasa manana fahasembanana. Na izany aza, raha nitombo isan-taona ny isan'ireo mpiasa sembana, nilaza ny latsaky ny antsasaky ny orinasa Japoney fa nahatratra ny tanjona 2,2 isanjato izy ireo. Etsy andaniny, ny taona 2018 dia tsikaritra fa toa mampitombo na diso manombana ny isan'ireo mpiasa sembana miasa ao aminy ny orinasa sasany – ao anatin'izany ny minisiteram-panjakana sy ny sampan-draharaham-panjakana miisa 28 -ka mahatonga ny antontanisa ho mampiahiahy.

 

Exit mobile version