Miarahaba ny rehetra! Vao haingana, niala amin'ny maha-mpitantana ny fandikan-teny Lingua Frantsay sy Paortiogey azy araka izay filaharany izay i Suzanne Lehn sy i Melina Coelho, fa hifantoka bebe kokoa amin'ny tetikasan-dry zareo tsirairay avy. Mpitarika samy nahatalanjona tokoa i Suzanne sy i Melina ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary heni-boninahitra aho niasa niaraka tamin-dry zareo. Isaorako indrindra ry zareo tamin'ny fandraisana nataon-dry zareo ho an'ny Lingua.
Amin'izao fotoana izao ny Lingua frantsay dia tantanin'i Gwenaëlle Lefeuvre na Gwen raha afohezina. Fizisiana kitin-draha i Gwen, mpankamamy fiteny. Zohio Twitter izy ao amin'ny @DiffractedWord sy ny @AcademieDuGallo, fikambanana niarahany'i Gwen tamin'olon-kafa nanorina ho famelomana aina ny Gallo, fiteny Romance an'i Britaina. Nihalehibe tao Frantsa i Gwen, nonina tany Fanjakana NY, ary manori-ponenana ao amoron-dranomasina anglisy amin'izao fotoana izao.
Raha tsy mbola tafahoana tamin'i Melina aho, ilaiko kosa ny manome voninahitra manokana an'i Suzanne. Sivy taona lasa izay no nihaonanay voalohany, tany amin'ny vovonana tao Santiago tany Shily. Nahafinaritra ny dia, na tamin'ireo vovonana na ireo dia niaraha-natao tato amin'ny GV nandritra ny taona maro. Nijery ny hakanton'ny tranonkala sy ny vondrom-piarahamonina teo ambany fitarihan'i Claire sy i Suzanne. Renin'ny GV Français!
Soava dia, ry Suzanne sy ry Melina, any amin'ny tontolonareo vaovao any, ary faly aho fa mbola mitoetra ho mpikamban'ny vondrom-piarahamonina ianareo. Manantena ny handre avy aminareo hatrany.