Torohevitra ho an'ny fanoratana, volana Janoary: Mametraha sary ho famintinana ny fankalazana ny Taombaovao

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2015)

Sydney Harbour at night during New Year's Eve celebrations in 2012/2013. Photograph by ТимофейЛееСуда used under CC BY 2.0

Seranan'i Sydney amin'ny alina, nandritra ny alina niandrasana ny Taombaovao 2012/2013. Saripika an'i ТимофейЛееСуда nampiasàna ny CC BY 2.0

Ireo torohevitra isankerinandro dia fantina avy amin'ireo fomba fanao tsara indrindra amin'ny fanoratana sy fanaovana tatitra ato amin'ny Global Voices. Amira no hitondra ho anareo ireo torohevitra mandritra ny volana Janoary, izy dia toniandahatsoratra ho an'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Arahaba ry namana mpiaramiasa GVers rehetra!

Tongasoa ato amin'ny Torohevitra momba ny fanoratana, volana Janoary izay andravantsika ireo fenitra ka hanombohantsika andrana vaovao, izay torohevitra hiafara amin'ny lahatsoratra ifandrimbonana iarahantsika rehetra manoratra, hafantoka amina lohahevitra sy endrika samihafa isankerinandro mandra-pahatapitry ny volana.

Ny fampiharana atao amin'ity herinandro ity dia ny fampiasàna sy fampidirana saripika ao anaty lahatsoratra GV. Ny ifantohantsika dia: Ahoana no fomba nataon'ireo mpisera anaty aterineto hiraketana an-tsary ny fankalazana ny Taombaovao. Ny vokatra andrasana dia lahatsoratra ifandrimbonan'ny fairtra ary hosoratantsika miaraka.

Ahoana no hisafidianana ny sary?

Ny ilainareo dia ny manaraka fotsiny ny fepetran'ny GV rehefa hisafidy saripika: Mitatitra anaty median'olontsotra isika. Ny saripika rehetra ho ampiasaintsika dia tsy maintsy mpisera amin'ny aterineto no naka azy ary nozaraina tamin'ny media sosialy.

Iangaviana mba haka fotoana hijery ny torolalana GV momba ny fampiasàna sary anaty lahatsoratra. Inty ny famintinana teboka vitsivitsy avy amin'izany:

Dingana arahana raha hampakatra sy hampiditra saripika:

 

Ahoana no hisafidiananao ny saripika? Ahoana no hanamarinanao ilay sary sy hahafantarana hoe tena ilay olona nizara azy tety anaty aterineto tokoa no nanapika azy? Ireto misy rohy vitsivitsy hanampy anareo amin'io dingana io:

Google reverse image search

Tineye

Inona inday no mbola tadiavintsika ankoatra izay? FIZAKAMANANA

Ananan'ny torolalana GV ato amintsika daholo izay valin'ny fanontaniana rehetra manitikitika anareo: ato jerena .

Inona indray izao?

Ankehitriny, zarao aminay ireo saripika nentin'ny olona any amin'ny firenena misy anareo nankalazàna ny Taombaovao ary ho azontsika ampisaina anaty lahatsoratra iray ifandrimbonan'ny faritra.

Mirary Taombaovao Sambatra! Azafady, alefaso haingana araka izay azo atao ny fandraisanareo anjara. Antenaiko ny hanoratra ilay lahatsoratra amin'ny andron'ny 1 Janoary.

 

Exit mobile version