Fikafika WordPress sy fampahatsiarovana: Sary sy maribolana

Photographers taking a photo of a sunset.

Sary tamin'ny Canva Pro.

Ato amin'ny Global Voices izahay tsy afaka mampiasa izay sary rehetra fehezin'ny copyright mahazatra, raha tsy hoe manana alalana mazava avy amin'ny tompon'ny sary izahay. 

Izay fitaovam-pampitam-baovao (multimedia) rehetra ao anaty fitantarana dia tsy maintsy:

  • voatondro mazava tsara ny mpamorona aorizinaly
  • voatondro fa nahazoana alalana ny fampiasana azy
  • rohizina mankany amin'ny aorizinaly
  • mandrohy mankany amin'ny lisansa ampiasana azy

Raha tsy manao izany dia mety ho tratran'ny fitoriana eny amin'ny fitsarana, ka ny tsirairay amin'izany mahatratra ny farafahakeliny EUR 700. Andao hijery ohatra amin'izany eto:

Jery an'habakabaka ny Hurricane Florence tamin'ny taona 2018, nopihana avy amin'ny International Space Station. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons. Lisansa: Public domain (azon'ny rehetra ampiasaina)

Loharanon-tsary

Aiza ianao mety hahita izay manana lisansa Creative Commons na azon'ny rehetra ampiasaina araka izay tiana (public domain)? 

Indreto misy loharano vitsivitsy:

Ara-dalàna ihany koa indraindray ny mampiasa pikantsary; ka afa-maka pikantsary avy amin'ny video YouTube ianao, rehefa manonona ny nakanao ny pikantsary ianao ary mandrohy ny lahatsary eo amin'ny fanazavana. Tahaka izao: 

Lulu ilay saka mifanena amin'ny zana-tsaka efatra. Pikantsary avy amin'ny mpisera YouTube hoe LuluTheCat. Fampiasana ara-drariny.

Na izany aza, ataovy izay hahazoana antoka fa misosa amin'ny kalitaony tsara indrindra ny lahatsary, ary mijery azy mahafeno efijery ianao, ary rehefa manao pikantsary ianao dia tsy hita ny tsoraka fivoaran-tsary (progress bar) sy ny tsy fifehezana (playback). 

Tsy ho tokony ho tahaka izao:

Pikantsary avy amin'ny video “A global history of women’s rights, in 3 minutes” avy amin'ny UN Women YouTube Channel. Fampiasana ara-drariny.

Azonao atao ihany koa ny manandrana sy manao sary ao amin'ny Canva, na miangavy an'i Giovana Fleck, Sydney Allen na Ameya Nagarajan hanandrana manao iray ihany koa. 

Haben-tsary sy kalitaony

Farafahakeliny ny sary asongadina manana sakany 800 pixels, ary ny tena tsara dia amin'ny endritany fa tsy sary tapaka, satria hivoaka toy ny endritany (landscape) izy ireny. Ny tena idealy dia ny fifidianana 1200 pixels ny sakany mba ho tsara jerena rehefa amin'ny habe extra-wide sy ahitana karakara. 

Maribolana (fanazavan-tsary)

Tokony ahitana ireto singa manaraka ireto ny maribolanao:

  1. Raha ny sary avy aminao no hitanao:
    1. Fanazavazavana sary. Sehatra tena ilaina hanampiana torohay fanampiny momba ny tantara. Jereo ity tantara ity [mg] ahitana ohatra tena tsara. Raha tsy afa-mampiasa azy ianao hanampiana torohay fanampiny, farafaharatsiny soritsorito ny sehatra, ary hampiasa io lahatsoratra io ao anaty boatin-dahatsoratra rehefa mamoaka ny sary ianao.
    2. Ny loharanon-tsary, voarohy. Azonao atao ny mampiasa “Image by” na “Photo by” [sary avy amin'i] ary manatsofoka ny rohy amin'ny dosien-tsary eo amin'ny voambolana “Image” na “Photo.” Ity ohatra rohy iray nampifandraisina tamin'ny dosien-tsary: https://unsplash.com/photos/purple-flowers-on-gray-concrete-pot-5xRvWtxu3Xo
    3. Ny anaran'ny olona na fikambanana nanangana ny sary. Ny tena idealy, atsofohy amin'ny rohy ny horirantavan'ilay olona na tranonkala nahazoanao ny sary, na ny tranonkalan'ny fikambanana.
    4. ny loharanon'ny tranonkala nahitanao ny sary. Mety ho Flickr, Pixabay, ny pejy Facebook-n'ny filoha, ny tranonkalan'ny fikambanana, sns. 
    5. Ny fanomezana lisansa, amin'ny endrika tahaka izao: “Used under a CC BY 2.0 license” [Ampiasaina araka ny lisansa CC BY 2.0] Manatsofoka ny rohin'ny lisansa mankany amin'ny anaran'ny lisansa. Amin'ity tranga iray ity, dia handrohy ianao mankany amin'ny https://creativecommons.org/licenses/by/2.0/deed.en ao amin'ny fehezanteny “CC BY 2.0.”
    6. Manitsy ny maribolana: Voninkazo ambony vatompasana ao antokotanim-pasana iray. Kisary avy amin'i Julia Kadel ao amin'ny Unsplash. Nampiasaina araka ny lisansa Unsplash.
  2. Raha nomena alalana ianao hampiasa sary avy amin'ny mpanoratra na loharano iray hafa:
    1. Famariparitana ny kisary. Sehatra tena ilaina hanampiana zarahay fanampiny momba ny tantara. Jereo ity tantara ity [mg] hijery ohatra tena tsara. Raha tsy afa-mampiasa azy ianao hanampiana torohay fanampiny, farafaharatsiny soritsorito ny sehatra, ary hampiasa io lahatsoratra io ao anaty boatin-dahatsoratra rehefa mamoaka ny sary ianao.
    2. Ny anaran'ny olona na fikambanana nanangana ny kisary.
    3. “Nahazoana alalana.”
    4. Fanitsiana maribolana: Ny Ivotoerana Confucius ao amin'ny Ss. Cyril sy Methodius Oniversiten'i Skopje izay miorina ao amin'ny tranoben'ny Tranomboky Nasionaly sy Oniversite, St. Clement avy ao Ohrid. Saripikan'i Meta.mk, nahazoana alalana.
  3. Raha mampiasa pikantsary:
    1. Famariparitana ny sary. Sehatra tena ilaina hanampiana torohay fanampiny momba ny tantara. Jereo ity tantara ity ijerena ohatra tena mety. Rehefa tsy azonao ny mampiasa azy hanampiana zarahay fanampiny, na farafaharatsiny manoritsoritra ny sehatra, ka mampiasa io lahatsoratra io ao amin'ny boatin-dahatsoratra ho an'ny sary rehefa mamoaka azy.
    2. “Pikantsary avy amin'ny” arahina ny toerana nahazonao ny pikantsary. Ohatra, “Pikantsary avy amin'ny video YouTube avy amin'i Miley Cyrus ao amin'ny fantsony YouTube,” misy ny rohin'ny lahatsary nanatsofohana ny voambolana “video,” sy ny rohin'ny fantsona natsofoka ao amin'ny fehezanteny “YouTube channel.” Indraindray tsy misy ny fantsona, ka tsy mila manonona izany ianao.
    3. Ny fehezanteny “Fampiasana ara-drariny.”
    4. Fanitsiana maribolana: Pikantsary avy amin'ny fantsona propagandy Belarus propaganda tao amin'ny YouTube ao amin'ny antsafa ifanaovana amin'i Tatiana Sobol, izay niverina avy any ivelany ary miandry fitsarana. Fampiasana ara-drariny.
  4. Raha mampiasa sary natsanganao ianao, na misy olona hafa namorona izany manokana ho an'ny lahatsoratra:
    1. “Sary avy amin'i <ANARAN’OLONA> ho an'ny Global Voices.”
    2. Fanitsiana maribolana: Sary avy amin'i Ameya Nagarajan ho an'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.