Ao anaty ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika lahatsoratra sy mba hisian'ny mangarahara kokoa momba ny mpamaky anay isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community izahay, izay izaranay isam-bolana ny torohay vaovao momba ireo tantara malaza indrindra aty aminay. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua be mpamaky indrindra ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahasamihafan'ny fiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Ny tantara amin'ity volana ity dia avy amin'ny tranokalanay teny anglisy, paortiogey, shinoa, holandey ary japoney.
Nahazo mpamaky maherin'ny 280.381 ny tranokalanay teny anglisy tamin'ny Febroary lasa teo. Ny antontanisa rehetra eto dia nalaina avy amin'ny Google Analytics ary tsy voatery maneho ny totalin'ny jeripejy noho ny adblockers sy ny toe-javatra na kirakira manokana hafa.
Tantara GV nalaza indrindra febroary 2024
Holandey
Woede en verdriet om de dood van Navalny bij Russen in Armenië en Georgië – Anger and grief as Russians in Armenia and Georgia mourn Navalny’s death na Fahatezerana sy alahelo fa misaona ny fahafatesan’i Navalny ny Rosiana any Armenia sy Georgia (jeripejy +23.101)
Mpanao fihetsiketsehana an-jatony nivory tao Armenia sy Georgia taorian'ny vaovao fa maty tany am-ponja [mg] tamin'ny 16 Febroary 2024 i Alexey Navalny, 47 taona, Rosiana mpanohitra fanta-daza ary mpitsikera hatry ny ela an'i Potinina.
Anglisy
Pseudoscientific racial theories by discredited British psychologist keep going viral in the Balkans Mbola miely haingana any Balkans ny teoria ara-pirazanana tahaka ny siantifika nataon'ilay Britanika psykôlôgy very laza (jeripejy +2.007)
Miresaka petrakevitra manaporofo fa ambany QI [taham-paharanitantsaina] kokoa noho ny hafa ao amin'ny faritra ny olona any Makedonia Avaratra ity ampahan-dahatsoratra nivoaka tamin'ny taona 2019 ity. Voasintona avy amin'ny fihenjanana ara-poko tao amin'ny faritra ary niparitaka haingana, na dia efa voatsipaka aza ny fahamarinany ny petrakevitra psedosiantifika (tahaka ny siantifika), mifototra indrindra amin'ny Eugenics. Matoa mbola ela velona ity fandisoam-baovao ity dia milaza izany fa mbola mivezivezy any ity vaovao diso ity.
Paortiogey
Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil – A Protection Ritual to ‘Close the Body’ Links Different Religious Traditions in Brazil Fomba fanao fiarovana amin'ny ‘manakatom-batana’ mampifandray ireo fombam-pivavahana samihafa any Brezila (2,353+ views)
Ao amin'ity piesy tamin'ny taona 2016 ity, i Adam Lee miresaka fombafomba Afro-Karibeana mampifandray olona avy amin'ny fivavahana sy fiaviana/saranga samihafa ao Brezila. Heverina ho manala ny faharatsiana ary fanao eo amin'ny fivavahana Afro-Breziliana Candomblé sy Umbanda, ary ny antokom-pinoana katolika sasantsasany ny fombafomba “fanakatonam-batana”.
Shinoa nentin-drazana
進入柬埔寨的監獄 – Ao anaty fonjan'i Kambodza [mg] (jeripejy +1.971)
Ao amin'ity lahatsoratra tamin'ny taona 2011 ity, ny tonian'ny GV Azia Atsimo Atsinanana, Mong Palatino, miresaka ny toe-java-mitranga ao anatin'ny fonja Kambodziana. Matetika ny voafonja miatrika fahateren'ny toerana noho ny hamaroan'ny olona, ny fenitra ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana tsy mamely, ny sakafo tsy voakarakara araka ny tokony ho izy, sy ny maro hafa. Raha nivoaka ity lahatsoratra ity 13 taona mahery lasa izay, tena feno hipoka ny fonja tao Kambôdza ary mihoatra ny 180 isanjato noho izay zakany.
Japoney
ロシア語を話すウクライナ人の話は聞きたいですか?– Ny nahatonga ahy nanamavo ny fitenin-dreniko nony farany tao Okraina [mg] (Jeripejy +1.842)
Ao anaty piesy Ny Tetezana ity, Filip Noubel, tonian-dahatsoratry ny Global Voices, miresaka ny lovany Okrainiana sy ny tolony hihazona mafy ao anaty ady ataon'i Rosia amin'i Okraina. Niezaka izy hivoivoy ao anaty fahatsapana saro-dazaina tahaka ireo mpiteny rosiana hafa momba ny adin'i Rosia, ny tantaran'ny fanjanahantany, ary ny fanoherana ny teny Rosiana sy ny mpiteny Rosiana izay nipoitra hatramin'ny nanafihan'i Potinina an'i Okraina.
Paortiogey
Angola: O Alambamento e os Rituais do Casamento – Angola: “Alambamento” sy ireo fombafomba fampakarambady [mg] (1,527+ views)
Any Angola, misy fomban-drazana ara-kolontsaina matanjaka amin'ny fangataham-bady amin'ny mariazy, antsoina hoe “alambamento”. Heverin'ny sasany manan-danja kokoa noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (Kristianina), fombafomba maromaro mifampitohitohy ny alambamento, toy ny fanaterana taratasy fangataham-bady, izay misy vola indraindray. Navoaka voalohany tamin'ny taona 2010 ity fifanakalozan-kevitra fombam-panambadiana any Angola ity ary mahazo fijery an'arivony matetika, mampiseho ny fahalianana hatrany amin'ny fombafombam-panambadiana Angoley.
Anglisy
Sakafo indiana tsara voatra atolotr'ireo sefo ao amin'ny YouTube [mg]
(jeripejy +1.206)
Nironan'ny mpankafy sakafo indiana hatry ny ela sy ireo mitady aingam-panahy sakafo matsiro ity piesy tamin'ny taona 2014 ity. Voasongadina ny sasany amin'ireo chef YouTube malaza ao India ary mifandrohy tamin'ny sasany amin'ireo horonan-tsari-nahandro malaza indrindra.
Anglisy
A few soca songs to take you from start to finish of Trinidad & Tobago Carnival Hira soca vitsivitsy hitondra anao hatrany am-piandohana ka hatramin'ny faran'ny Karnavaly ao Trinidad sy Tobago (jeripejy +1173)
Amin'ny karnavaly natomboka ny 7-14 febroary, tsy mahagaga raha nahazo vahana ity sangan'asa miompana amin'ny karnavaly ity. Nisongadina tamin’izany ny sasany amin’ireo hira Soca farany novokarin’ny mpanakanto eto an-toerana