Shina: Niitatra tany Guangzhou sy Shenzhen ny fisoratana anarana tena izy amin'ny bilaogy bitika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011)

Niitatra nanomboka tao Beijing hatrao Guangzhou sy Shenzhen ny fandaminana ny fisoratana anarana tena izy ho an'ny sehatra bilaogy madinika. Araka ny tatitra eo an-toerana [zh], nanomboka androany (22 Desambra) ny fepetra fanoratana anarana tena izy. Tsy maintsy manamarina ny mombamomba ireo mpiserasera vaovao alohan'ny hanomezana azy ireo alalana hamorona lahatsoratra ireo sehatra lehibe 7 fibilaogy bitika, anisan'izany ny Tencents, Jinyang, Dayoo, Shenzhen News Web, OE, DIgu sy Fanfou.

Tsy maintsy manome ny laharan'ny kara-panondron'izy ireo any amin'ireo sehatra fibilaogy bitika ireo mpiserasera vaovao ary tokony hanamarina ny antsipirihany miaraka amin'ny tompon'andraikitry ny governemanta ireo orinasa ho fanamarinana ny mari-panondroana. Mbola afaka mampiasa anarana “pseudo” amin'ny kaontiny ny mpiserasera.

Exit mobile version