(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2005)
Teny fanevan'ny famelabelarankevitra: “Mandeha ny hoavin'ny fifandraisandavitra. Hamolavola ny adihevitra ny Freedom to Connect”
Hiresaka momba ny Global Voices aho anatin'ny resaka amin'ity tolakandro ity. Ny hifantohako: Mba hamoronana media iraisam-pirenena demôkratika kokoa sy adihevitra ahitàna lafiny maro kokoa manerana izao tontolo izao, tsy maintsy mikendry fidirana aterineto mora sy amin'ny sarany mirary ho an'ny olona rehetra maneran-tany isika. Mety amin'ny alàlan'ireo fitaovana tsy mila tariby entina mandehandeha izany fa tsy amin'ny alàlan'ny aterineto haingam-pisosa sy ny solosaina, kanefa laharampahamehana ny fahafahana mifandray sy mirotsaka anatin'ny adihevitra irasam-pirenena.
Manan-kevitra na fomba fijery momba izany? Miangavy anao hizara azy ireo ao amin'ny tafatafa mivantana na ny toerana fametrahana fanehoankevitra eto.