Balancing Act ao amin'ny bilaogy Afrikanina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2005)

Manomboka niresaka bilaogy Afrikanina ny fivoahan'ny Balancing Act – gazety antserasera malaza momba ny fifandraisandavitra Afrikanina – ary mampiseho bilaogera maromaro mandray anjara ato amin'ny Global Voices, anisan'izany i Andy Carvin, Kenyan Pundit Ory Okolloh (mirary soa amin'ny fanadinana ho mpisolovava, Ory!), Sokari Ekine sy Ndesanjo Macha. Misaotra an'i Russell Southwood sy ny ekipan'ny Balancing Act manohy manome ity loharanom-baovao mahafinaritra ity ho an'ny rehetra izay manjohy ny fifandraisandavitra Afrikanina.

Exit mobile version