Kenya: Maneho Hevitra Momba Ny WikiLeaks Ny Bilaogera

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nankalaza ny faha 47 taonany naha-Repoblika azy tamin'ny Alahady 12 Desambra 2010 ny Kenyana. Niavaka tamin'ny fanambarana fohy sy henjana mamely ny Ambasadaoro amerikana  Michael E.Ranneberger ao Kenya noho ny telegrama WikiLeaks andiany farany avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Nairobi ny lahateny nataon'ny mpitarika, anisan'izany ny filoha Kenyana Mwai Kibaki, ny praiminisitra Raila Odinga sy ny filoha lefitra Kalonzo Musyoka ao amin'ny governemanta iaraha-mitantana.

Na izany aza, somary misy fifanoherana kely ny hevitr'ireo bilaogera Kenyana momba ny telegrama WikiLeaks. Odegle Nyang ao amin'ny lahatsorany “ WikiLeaks sy ny fiarovana”  milaza hoe:

I must admit , I am a bit confused with arguments on the wikileaks story. If I were a judge hearing this case, I would quickly disqualify myself. However I still find it quite intriguing. Who is at error here, is it Assange (whose name the west finds hard to pronounce) or is it the diplomats? On the one hand you could even say neither. Why because, everyone is entitled to his own opinion and the opinion of the diplomats about their missions is just that, their opinion.

Tsy maintsy miaiky aho fa somary misafotofoto kely amin'ny hevitra momba ny wikileaks. Raha mpitsara aho no nandre izany raharaha izany, dia hiala avy hatrany tsy hisahana ny raharaha ny tenako. Na izany aza, hitako fa tena hafahafa izany. Iza no diso eto, i Assange (anarana sarotra tononin'ny tandrefana), sa ny diplaomaty? Etsy an-daniny, azonao lazaina fa tsy izy roa. Ny antony dia satria samy manana ny heviny manokana ny tsirairay ary ny hevitr'ireo diplaomaty momba ny asan'izy ireo dia hevitr'izy ireo fotsiny.

Tokony mijanona ho tsiambaratelo ny tsiambaratelo:

Wikileaks had no business leaking this to the world. Its in my view stupid, juvenile and outright irresponsible. Everyone has secret thoughts and its natural and God given. If God wanted all of us to know what others thought about us, he would have made us super people capable of this very thing. In fact I think the cables on what other diplomats think of US may be worse than what we have been reading so far.

Tsy manana fifandraisana hamoaka izany amin'izao tontolo izao ny Wikileaks. Araka ny hevitro  adaladala, tanora sy tsy tompon'andraikitra. Manana hevitra tsiambaratelo ny olona ary voajanahary izany no nomen'Andriamanitra. Raha tian'Andriamanitra hahafantatra izay eritreretin'ny hafa momba antsika isika, dia efa nataony olona mahagaga mahavita izany zavatra izany isika. Raha ny marina, heveriko fa ny telegrama izay heverin'ireo diplaomaty hafa momba an'i Etazonia dia mety ho ratsy kokoa noho izay efa novakiantsika hatreto.

Ho an'i Otieno Hongo, tsy mampihomehy velively ny votoaty ao anatin'ny telegrama io, hoy izy:

I have been holding my breath to see if there is anything sensational to come out of Wiki Leaks about Kenya in the past one week but I have seen nothing ‘earth shaking’, except to state …. Kenya is indeed a swamp of corruption and that we facilitated exportation of military ware to South Sudan, in contravention of a peace accord we helped create…

Nihazona ny fofonaiko aho mba hijery raha toa ka misy zavatra maningana momba an'i Kenya avy amin'ny Wiki Leaks tamin'ny herinandro lasa saingy tsy nahita na inona na inona ‘mampihovitrovitra ny tany” afa-tsy …. tondraky ny kolikoly tokoa i Kenya ary nanamora ny fanondranana fitaovana miaramila tany Sodàna Atsimo isika, manitsakitsaka ny fifanarahana momba ny fandriam-pahalemana izay nandraisantsika anjara fa ho atsangana isika …

Manana fanontaniana vitsivitsy ho an'i Julian Assange izy:

1. Is the American government (in cahoots with key Kenyan politicians) behind the mushrooming of FM radio stations and Mexican Soap Operas, two institutions that have done more to promote stupidity among the general population than schools have managed to, the aim of which is to keep the entire population focused on triviality and consumption thus being unable to realize that they are being bled dry by politicians and big business

2. Does the American Government think William Ruto and Alfred Mutua were born stupid or it is something they have had to work hard to achieve? Is Alfred Mutua a US spy planted by the American Government to make Kenyans generally look stupid so that no one takes us seriously?

1. Ao ambadiky ny fihanaky ny onjam-peo FM sy ny Tantara Mitohy Meksikana tokoa ve ny governemanta Amerikana (miray tsikombakomba amin'ireo mpanao politika Kenyana manan-danja), zavatra roa ( onjam-peo FM sy ny Tantara Mitohy Meksikana ) izay nanao zavatra betsaka mba hampiroborobo fahadalana eo amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny noho ny vitan'ny sekoly, ka ny tanjona amin'izany dia ny fifantohan'ny vahoaka amin'ny rendrarendra ivelany sy ny fifanjifàna ka tsy afaka mahatsapa fa ritin'ny mpanao politika sy orinasa goavana izy ireo izay rehetra ananan-dry zareo.

2. Mihevitra ve ny governemanta Amerikana fa adala i William Ruto sy Alfred Mutua tamin'ny teraka sa izay no niezahan-dry zareo mafy hotratrarina? Moa ve Alfred Mutua Amerikana mpitsikilo ka namboarin'ny Governemanta Amerikanina mba hahatonga ny Keniana amin'ny ankapobeny ho toy ny adala ka tsy misy olona mandray antsika am-pahamatorana?

Mpanao sariitatra Patrick Gathara maneho ny fikasan'ny governemanta Amerikana hampangina ny WikiLeaks. Sary natolotr'i Patrick Gathara.

Manazava i Gathara fa ampahany amin'ny vaovao malaza maneran-tany mankany amin'ny famerana ny fahalalahan'ny media ny fanafihana ny WikiLeaks. Milaza izy fa fihatsarambelatsihy no ataon'i Etazonia amin'ny fampiantranoana ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety amin'ny taona 2011:

It is, therefore, more than a touch hypocritical for the US to be hosting the World Press Freedom Day 2011 in order to, according to one online report, “prove its commitment to expand press freedom and the free flow of information in this digital age.” The theme for the commemoration will be “21st Century Media: New Frontiers, New Barriers”. It will perhaps be the perfect opportunity to ponder why the governments of societies which pioneered press freedoms in the last century have become the new barriers to the spread of those same liberties in this one.

Noho izany, mihoatra noho ny fihetsika mihatsaravelatsihy ataon'i Etazonia amin'ny fampiantranoana ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety 2011, izay ny tanjona, araka ny filazan'ny tatitra antserasera iray, dia ny “hanaporofo ny fanoloran-tenany hanitatra ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fivezivezen'ny vaovao malalaka amin'ny vanim-potoana nomerika . “Ny lohahevitry ny fankalazana dia hoe” Media Taonjato faha-21: Sisintany Vaovao, Sakana Vaovao “. Mety ho fotoana tena tsara indrindra hisaintsainana ny antony nahatonga ireo governemantam-piaharamonina mpisava lalana tamin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tamin'ny taon-jato farany, nanjary sakana vaovao amin'ny fampielezana ireo fahalalahana ireo amin'izany.

 

Satria samihafa ireo hevitra amin'izao fotoana izao, azo antoka fa raha miha-betsaka ny fivoahan'ny telegrama WikiLeaks, miha-betsaka ihany koa ny resadresaka ho hitantsika avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana.

Exit mobile version