Sary nandresy tao amin'ny sokajy Sarin'ny taona, sary an'i Deepak Ratna Bajracharya. Nahazoana lalana: Klioban'ny Mpakasary fanao an-gazety, Nepal.
Nandritra ny herinandro faran'ny volana Jolay, nanambara ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana sary IME-Global IME Bank Nepal tamin'ity taona ity ny Klioban'ny Mpakasary fanao an-gazety ao Nepal, izay nanome ny loka vola betsaka indrindra ho fankasitrahana tamin'ny fifaninanana sary tao Nepal. Ireo sokajy dia nahitana ny kolontsaina sy fizahantany, fiainana andavanandro, natiora sy bibidia, ny tsikin'i Nepal, fanatanjahantena vaovao, sary tantara ary sarin'ny taona.
Ny fifaninanana, izay nokarakarain'ny Klioban'ny Mpakasary fanao an- gazety, dia nahasarika fidirana mpakasary, mpankafy sy matihanina marobe. Fitambarana sary miisa 6,670 ambany karazany fito samihafa no naroson'ny mpakasary 811 tamin'ity taona ity.
Niala tamin'ny fenitra nahazatra, pretra sady mpankafy maka sary antsoina hoe Deepak Ratna Bajracharya no nandresy tamin'ny sokajy “ny sarin'ny taona” tamin'ny fakàna saiky teo noho eo ny taorian'ilay horohorontany nandravarava izay nampihorohoro an'i Nepal tamin'ny Aprily 2015, nampiazana aina an'arivony.
Arahabaina ny mpandresy lehibe tamin'ny fifaninanana sary nampanaovin'ny PJ, Deepak Ratna Bajracharya, pujari avy amin'ny tempolin'ny sankata, noho izy teo amin'ny toerana tsara tamin'ny fotoana nety ary tamin'ny fakàna sary tena mahery ny horohorontany !
Raha maro tamin'ireo sary nahazo loka no manasongadina ny fiainana andavanandro tao Nepal, tao amin'ny sokajy vaovao, dia sary mampihoron-koditra ahitana tratranà tovolahy iray voafandrika tambany korontan-trano rava nirodana no nahazo ny toerana voalohany. Toy izany koa, ilay sary ahitana ny setroka sy vovoka teny amin'ny lanitry ny tanànan'i Khokana no nahazo ny toerana faharoa tao amin'ny sokajy vaovao.
Fampitandremana: sary mahery setra etsy ambany.
Vatan'ny niharam-boina iray voafandrika tao ambany koronam-bato tao Kathmandu, Nepal, ny 25 Aprily 2015 taorian'ny horohorontany. Ilay horohorontany somary nahery, maridrefy 7.9 namely ny andrefan'ilay renivohitra Nepaley fahiny tao Kathmandu ny Sabotsy, nahafatesana olona manodidina ny 9000. Sary avy amin'i Navesh Chitrakar. Nahazo lalana: Klioban'ny Mpakasary fanao an-gazety, Nepal.
Na izany aza, tsy ny olon-drehetra no mihevitra ireny sary ireny ho ny mendrika. Nisioka ny olona iray:
दुर्घटनाका रगत लत्पतिएको विभत्स शवका तस्बीर अनलाईन र फेसबुकमा पोष्ट गर्ने ‘पत्रकार'हरूलाई कसैले पत्रकारिता सिकाईदिनु पर्ने भो! @pjclubnepal