Rehefa tonga tao Hawaii, dia nogiazan'ny fadintseranan'i Etazonia ny zavatra isan-karazany tany amin'ny fianakaviana Marcos, toy ny vola, taratasy petra-bola amin'ny banky, hosodoko, ary firavaka izay naverina tany amin'ny governemanta Filipiana vaovao.
Voampanga ho nandroba ny tahirim-bola nasionaly i Marcos nandritra ny fotoana nitondrany. Voatsikera ihany koa ny fianakaviany ho niaina tanatin'ny rendrarendra raha nijaly tamin'ny fahantrana lalina ny ankamaroan'ny Filipiana.
Nivoaka lohateny lehibe manerantany ny vadin'i Marcos, Imelda, tamin'ny 1986, rehefa nahita ny lalimoarany feno kiraro karazany mihoatra ny 1.000 ny manampahefana. Nisy teny anglisy vaovao mihitsy aza nomena azy, Imeldific, izay midika hoe’ fampideraderana tafahoatra .’
Naorina ny Vaomieran'ny Prezidansa Misahana ny Fitondrana Tsara [Tantana] (PCGG) tamin'ny 1986 mba hanavotana ireo harena nalaina “tsy ara-dàlana” an'i Marcos sy ny fianakaviany, . Telopolo taona tatỳ aoriana, nanohy nitady ny fananan'i Marcos hafa manerana an'izao tontolo izao ny sampan-draharaha.
Ao anatin'ny iraka hanabeazana ny vahoaka momba ny “Rendrarendra tafahoatra an-dry Marcos”, nanangana fanisana an-tserasera ireo lisitry ny firavaka nogiazan'ny Fadintseranan'i Etazonia ny PCGG.
Nampitondraina ny lohahevitra “Rantim-Piravaka Viritoaly, Tantaran'ireo Zavatra Tafahoatra: Inona no mety mahatonga fampandrosoana ny firenena ” Nanome ohatra mivaingana ihany koa ny vavahadin-tserasera amin'ny hoe ahoana ny vola nampiasaina hividianana firavaka tao amin'ny firaketana no mety azo natokana hanomezana tolotra ara-tsosialy fototra.
The Commission believes that it is its duty to remind Filipinos, especially the youth of the real history. Through this online exhibit of the family’s collection of diamonds, gold, even tiaras, the PCGG hopes that the youth can visualize how the Marcoses abused the government coffers, part of history which is not in the history books.
Mino ny Vaomiera fa adidy ny mampahatsiahy ny tena fizotry ny tantara amin'ireo Filipiana, indrindra fa amin'ny tanora . Amin'ny alalan'ity fampirantiana an-tserasera ireo tahirin-diamondra, volamena, hatramin'ny satroboninahitry ny fianakaviana ihany koa aza, no anantenan'ny PCGG ahafahan'ny tanora mijery ny fihoaram-pahefana nataon-dry Marcos amin'ny kitapom-bolan'ny governemanta, ampahany amin'ny tantara izay tsy ao anatin'ny boky tantara.
Mandrisika ny vahoaka ny PCGG hahatsiaro ny heloka bevavan’ ny Marcos:
These excess wealth and extravagance are the tangible reminder of the insidious evil of plunder and dictatorship during the Martial Law.
Now, this is our call: To those too young to remember, it is not yet too late to know. To those old enough to have known, it is our responsibility to remember.
Ireo harena be loatra sy tafahoatra ireo no tsiahy azo tsapain-tanana amin'ny famitahana ratsy sy ny fandrobana ary ny jadona nandritra ny Lalàna Miaramila.
Ankehitriny, izao no antsonay: Ho an'ireo tanora loatra ka tsy hahatadidy, mbola tsy tara loatra ny mahafantatra. Ho an'ireo efa lehibe ka tokony nahalala, andraikitsika ny mahatsiaro.
Miverina indray manko ny fahalianana tamin'ny vanim-potoanan'i Marcos satria nilatsaka ho filoha lefitra ny zanak'ilay mpanao didy jadona voaongana amin'izao fotoana izao.
Ireto ambany ireto ny sarin'ireo firavaka navoakan'ny PCGG ao amin'ny kaontiny media sosialy. Andao isika hanomboka amin'ny kely indrindra nefa ilay firavaka lafo vidy indrindra ao amin'ny firaketana: ny diamondra mavokely .
Naranty tamin'ny sekoly manerana ny firenena ihany koa ny sarin'ny firavaka.