Global Voices Meetup Any Skopje, Makedonia

Ny Global Voices teny Makedoniana dia faly manasa anareo amin'ny fihaonan'ny mpikambana sy mpanohana ny fikambanana, hotontosaina amin'ny Asabotsy, 30 Novambra 2013 manomboka amin'ny 12:00 ka hatramin'ny 15:00 ao amin'ny GEM Club ao Skopje, Makedonia.

Mandritra ny lanonana no androsoanay ny fahafaha-miditra ho ao amin'ny fikambanamben'ny Global Voices, sy ny fahafaha-miditra ihany koa amin'ny vatsikelin'ny Rising Voices. Ny lanonana dia nampiasaina hanamafisana ny fikambanan'ny Global Voices ao Makedonia, iarahan'ny mpikambana vaovao sy tranainy mamaritra miaraka ny hoavin'ny ekipa.

Ao anatin'ny lohahevitra ifampiresahana ny :

Raha tianao ny hanatrika izany, ka tianay ny hahafantarana izany, dia miangavy anao fenoy ity fisoratana anarana manaraka ity, mba hahalalanay marina sy tsaratsara kokoa ny isan'ny mpandray anjara: http://0.mk/GVMeetup

Asabotsy mifankahita!

Exit mobile version