Hijery ny Ashland, VA 23005 amin'ny sarintany ngezangeza kokoa
Nisedra olana tamin'ny fitadiavana olona miteny ny fitenin'ny teratany (Indiana-Amerikana) ireo mpanatontosa ilay horonantsarimihetsika tamin'ny taona 2005 mitondra ny lohateny hoe “Tontolo vaovao,” izay mitantara momba ny fanorenana ny tanàna voanjo Jamestown tao Virginia, ao Etazonia tamin'ny taon-jato faha-17. Fantatra fa efa maty ny teny Powhatan na teny Algonquine, taonjato roa mahery lasa izay. Amin'ny alalan'ny fikarohana ambony vao haingana sy ny fisian'ny lisitr'ireo voambolana, miezaka manangana indray ny teny ireo mpandala ny fiteny mba hanakaikezana kokoa amin'ny tena izy ho fanatanterahana ilay horonantsary.
Mitady ny fomba fandraisana anjaran'ny tambajotran'ny fiarahamonina sy ny teknolojia hafa izy ankehitriny ho famenon-desona amin'ny fampiroboroboana ny teny, fa fomba iray izany hanatratrarana ny tanjona ho famelomana indray ny fiteny. Ankoatra ny fananganana rakibolana amin'ny aterineto, sy kitendry ho an'ny finday raitra sy ny solosaina, manantena izy fa ho mpanentana goavana sy fomba iray hifandraisana amin'ireo olona vaovao te-hianatra ny fiteny amin'ireo foko isan-karazany tahaka ny Mattaponi, Pamunkey, Mattaponi ambony toerana, Patawomeck, Rappahannock, Chickahominy, Chickahominy Atsinanana ary Nansemond ireo fitaovam-pampitambaovaon'olo-tsotra sy tambajotran'ny fiarahamonina hafa . Ny fanantenana, araka ny filazan'i Custalox, dia ny “hahatonga ny fitenin'ny fiarahamonina Amerikana teratany izay fiteny efa maty sy zara raha fantatra mba ho velona indray”