Tantara tamin'ny 07 Oktobra 2013
Hazreen Shaik Daud: Voalohany Amin'ireo Nanova Taovam-Pananahana Manao Politika Any Malezia
Namaritra ny firotsahan'i Hazreen ho "hetsika sahisahy, marina sady henin-kaja" ireo mpampiasa aterineto sasany.
Tokony Hamaky ity Tantara An-tsarin'ny Olona iray Avotra Nandritra Ny Daroka Baomba Atomika Tany Hiroshima ity Ve Ny Zanak'i Japana?
Nahatonga resabe any Japana momba ny tokony hanehoana ny zava-nitranga ny ezaky ny tanàna iray hametra ny famakiana ny "Barefoot Gen", tantara an-tsary mizarazara ho boky maro momba ny fandarohana baomba an'i Hiroshima.
Hisy Volantantely Ve Eo Amin'i Etazonia sy Iran?
Tsy manaiky ny hanafana ny fifandraisana voamariky ny fifampiantsoana am-pinday teo amin'ny filoha Obama sy Rouhani ho zavatra tsara avokoa ny Iraniana rehetra.
Saodiana 16 Taona Miady Ao Syria
Tao amin'ny Twitter, nidera ny zanany lahy 16 taona ilay Saodiana Reema al-Jourish, satria nanatevin-daharana ireo Jihadista ao Syria izy. Naneho hevitra momba izany ireo mpiserasera
Nandao ny Commonwealth Britanika i Gambia, Satria ‘Fitohizan'ny Fanjanahantany’ io
"Tsy ho mpikambana velively amin'ny rafitra mampiseho ny fiitaran'ny fanjanahantany i Gambia," hoy ny fanambarana navoakan'ilay firenena Afrikana Tandrefana tamin'ity herinandro ity.
Famelomana Indray Ny Teny Powhatan
Rehefa misy ny tahirin-kevitra dia azo atao indray ny mamelona ny fiteny iray efa maty tanteraka.
Nampijaliana Ny Namako Satria Mibilaogy
Olo-tsotra i Safy izay niasa teo amin'ny sehatry ny informatika saingy taorian'ny fitifiran'ny polisy misahana ny rotaka ny namany nandritra ny herinandro voalohany nanombohan'ny revolisiona, tsy nety taminy intsony ny ho "olo-tsotra"