Akory aby!
Ao anatin'ity famoahana Podcast an'ny Global Voices ity isika dia hiresaka ireo teny izay sarotra tadiavina eo anivon'ny aterineto. Teny iray saro-tadiavina eto amin'ny aterineto ve no teneninao? Avy aminà faritra iray izay tsy ampiasàna betsaka ny tenin-dreninao ve ianao? Ankoatra izany dia mety ho isan'ireo olona maro manerana ny tany izay miteny sy manoratra ireo “teny zara raha misy mahalàla” ianao. Miandrandra mafy ny tetikasa 11 Eleven amin'ny 11/11/11 ihany koa isika.
Fifanakalozan-dresaka vaovao ho fitehirizana ny teny aty anivon'ny aterineto
Ao anatin'ny tafatafanay i Eddie dia manamarika ihany ny asa mahasondriana nataon'i Kevin Scannell. Kevin dia mpampianatra kajy sy siansan'ny solosaina ao amin'ny Anjerimanontolon'i St. Louis ao Missouri, Etazonia. Manazava izy ny fomba natao handraketana an-tsarintany ireo bitsiky ny Vazimba sy ny bilaogy kiritika manerana ny tany.
Finday manampy amin'ny fiatrehana ny fanambin'ny teny any India
Podcast iray amin'ny teny Quechua
Andro iray fitadidy
Ny sasany amin'ireo olona maneranan ny tany izay tanisain'i Danielle dia sady mpanoratra ihany koa ao amin'ny Global Voices, sy masoivohon'ny Tetikasa Eleven Eleven, noho izany dia nantsoiko i Salman Latif ao Pakistana sy Lalatiana Rahariniaina avy any Madagasikara mba hizara ny fanantenan-dry zareo amin'io andro io.
Izahay koa mba isany…
Hatreo iahny aloha no azontska ampidirina momba ity podcast ity. Saingy misy ny vaovao tsara! Efa misy amin'ny endrika vaovao ankehitriny ny podcast vokarin'ny Global Voices! Raha liana amin'ny fizaràna onjam-peo ho an'ny daholobe ianao, dia mety te-hihaino amin'ny alàlan'ny PRX. Raha tianao koa ny handre resaka lavalava kokoa na clips niarahana tamin'ireo vahininay, dia azonao arahana izany ankehitriny ao amin'ny SoundCloud. Ifampizarao aminay ny tontolonao mba hahafahanay mamerina mizara azy indray aminareo avy eo!.
Mozika…
Afaka maheno hira maro mahafinaritra mampiasa ny Creative Commons iaoa ao anatin'ilay podcast. Raha te-hahafantatra misimisy kokoa mikasika ireny mpanakanto ireny ianao dia ireto ny rohy omena anao. Isaorana ny Orb Gettarr ho an'ny Return of the Atlanteans Lemurian Candidate, i Mark Cotton ho an'ny Spiritualized Homage, i Superbus feat. NS ho an'ny Fujjad! Ny ankamaroan'ireo mozika dia hita ao amin'ny OpSound.Org, The Free Music Archive na avy amin'ireo mpanakanto mivantana. Isaorana koa ny rehetra noho ireo feo mahafinaritra anatin'ireo fisehoana sy clips izay nanampy tamin'ny fandrafetana miaraka ilay podcast.
Podcast: Play in new window | Download
Subscribe: RSS