Salama daholo, fanavaozam-baovao tselatra izy ity mba hampahafantarana anareo fa nanampy karazam-bokotra vaovao izahay ao amin'ny fandrafetana WordPress Global Voices. Ankehitriny, rehefa misy fandikan-teny mivoaka, dia hahazo mailaka mampahafantatra izany ny mpanoratra ny ranty ôrizinaly !
Efa nangatahana hatry ny ela avy amin'ny mpanoratra sy ny mpandika teny ity endri-javatra ity, ka tena faly aho fa nahatokana fotoana hananganana azy. Mitady fomba hankalazana mandrakariva ireo mpandika teny an-tsitrapo mahatalanjona ato aminay izahay, sy haneho amin'ireo mpanoratra koa ny halehiben'ny fizarana ny fitantarana nataon-dry zareo.
Ity misy topimason'ny endriky ny fampahafantarana:
Miangavy ny mba ampahafantarana ahy raha misy ny tsi-fetezana na olana entin'ity karazam-bokotra vaovao ity!