‘What a Bam Bam!’ Mankalaza ny fandresen'i Biden/Harris ny Jamaikana

Tsikaritra ho mirehareha amin'ny mahataranaka Jamaikana an'i Harris ny media sosialy

Sarin'i Joe Biden sy Kamala Harris avy amin'i Ted Eytan ao amin'ny Flickr, samy CC BY-SA 2.0.

Tao anatin'ny sabotsy maraina matromatroka, raha mbola mitohy amin'ny fahatsapana ny fiantraikan'ny tsiokan-drivodoza Eta ny nosy, ary mbola miha-misonga ny tranga COVID-19, Nihoraka hafaliana ny mpiserasera Jamaikana raha nambara ho filoha voafidy sy filoha-lefitra voafidy ao Etazonia ry Joe Biden sy ry Kamala Harris.

Tahaka izay mitranga manerana ny faritra, mamelana dia mamelana tokoa ireo sary-sy-soratra mampihomehy ao amin'ny fantsona media sosialy, ao anatin'izany ny vondrona WhatsApp, saingy mametraka ny tombokaseny manokana ilay fandresena ny media sosialy Jamaikana — izay mankafy fandraisana an-kira ny zavatra (maro) — amin'ny alalan'ny fizaràna lahatsary tao amin'ny lanonana iray an'araben'i Philadelphia mitendry ny hira ahatsapana zavatra tsara an'i “Toots” Hibbert mitondra ny lohateny hoe “What a Bam Bam” (lohateny izay midika hoe “Endrey izany fientanentanana”) :

Endrey izany fientanentanana!!! Mitondra izao tontolo izao i Jamaika [isao ny vato]

Ny hafa manasongadina hiram-bahoaka Jamaikana toa mifanandrify amin'ny toe-javatra:

Hazòny aho ry Joe
Aza avela aho handeha!
Avy amin'ny [Hira sy Tantara Jamaikana] 1907 nosoratan'i Walter Jekyll; Anglisy mpitondra fivavahana sady mpamboly tao Jamaika; angon-kira sy tantara avy amin'ny taranaky ny Afrikana noandevozina mahasahana taona maro amin'ireo mpihira mento sy calypso

Nohavaozin'i Nadine Sutherland mpiantsehatra ny iray amin'ny dihiny malaza ho fanomezam-boninahitra an'i Kamala Harris ary navoakany ao amin'ny Twitter ny remix:

Raaaaae! Filoha Lefitra Harris! Miakara (Mandrosoa)!

Arahaba ao amin'ny media sosialy

Asongadin'ny siokam-piarahaban'ny Praiminisitra Andrew Holness fa taranaka Jamaikana ny Filoha-lefitra voafidy Kamala Harris ary nantsoiny izao dingana vitany manan-tantara izao ho “fahavitana goavana dia goavana ho an'ny vehivavy manerantany”:

Ahitatro ny fiarahabana ho an'ny Filoha-voafidy sy ny Filoha-lefitra voafidy an'i Etazonia, Joe Biden sy Kamala Harris
Hanana ny vehivavy Filoha-Lefitra voalohany amin'ny alalan'i Kamala Harris i Amerika (Etazonia), ary afa-mirehareha isika fa manana lova Jamaikana izy.

Nanaraka ny mponina iray avy ao St. Ann (toerana rain'i Harris):

1. Mahatonga ny olona hipetraka ao anaty ny Covid-19.
2. Brown’s Town, ST. ANN Jamaica is also in the house. ??

Olo-malaza iray Amerikana teraka Jamaikana — malaza ao amin'ny TikTok amin'ny “Trump mimes” fanaony antsoina hoe Sarah Cooper — no nisioka:

Arahabaina Ramatoa Filoha Lefitra @KamalaHarris sy ny Rangahy vadiny @DouglasEmhoff

Nisy ihany anefa olo-malaza iray amin'ny fampitam-baovao ao an-toerana fa tsy tokony ho faingana hidera an'i Harris ny Jamaikana:

Amerikana izy, Filoha-Lefitr'i Etazonia. Niasa amin'ny maha-Mpitsara azy tao Amerika. Efa Senateran'i Etazonia. Efa manana asa vaovao izy izao hiaro ny tombontsoa Amerikana. Izay no nametrahan'ny vahoaka Amerikana azy eo.
Mandratra tena ianareo raha mino fa Jamaikana ihany koa izy.

Na izany aza, misy ihany koa ny fankatoavana ny lova Indiana ao amin'i Harris, ary nihetsi-po tokoa ny ankamaroan'ny mpikirakira media sosialy:

Manana teny iray aho K A M A L A ????????????????. Eny. Izahay Jamaikana afa-mirehareha amin'ny maha ra$$

Tena meva ?? #KamalaHarrisVP

Mpikirakira media sosialy maro, izay tia ny fihetseham-pon'i  Harris tamin'ny vaovao fandresen'ny Demaokraty, no nampita sioka ny:

Vitantsika (ihany), @JoeBiden

Somary takon'ny fifidianana tao Etazonia ny fitsapan-kevitra politika tao an-toerana, izay isafidianan'ny delegen'ny Antokom-Bahoaka Nasionaly (PNP) — ao amin'ny fanoherana amin'izao fotoana — mpitarika vaovao. Amin'ny ankapobeny ny olona mirona kokoa amin'ny firesahany amin'ny fahadisoam-panantenany tamin'ny safidin'i Florida toy izay amin'ny resaka antoko politika ao an-toerana. Indraindray manko i Florida Atsimo antsoina hoe “Kingston 21″ noho ny fisian'ny Jamaikana manodidina ny 300.000 monina ao.

Ravo ny Jamaikana tamin'ny vokatra farany, na izany aza, ary nanao kisavasava kely tamin'ny filoha hivoaka:

BREAKING NEWS
Jamaica to send JUTC [Jamaica Urban Transit Company] buses to assist with speedy removal of all that stuff from 1600 Pennsylvania Avenue. Thanks to Kamala Harris’ connections.

VAOVAO MAFANA
Handefa ny bisin'ny JUTC hanao tolo-tanana amin'ny fanesorana haingana izay zavatra rehetra ao amin'ny 1600 Pennsylvania Avenue. Isaorana ireo manam-pifandraisana amin'i Kamala Harris

Exit mobile version