Fanavaozana ny fango RisingVoices

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2014)

Fango RV niandohana. Gill tsy misy soratra, adinkra miakatra ery amin'ny faravodilanitra.

Miasa miketrika marika/fango iray vaovao ho an'ny Rising Voices aho. Ilay fango tranainy, na tsara aza, dia efa manomboka ilaozan'ny toetrandro, sady noho ilay aloka malefaka eo aminy sy ny fifangarihan'ny loko mainty sy volomboasary, tsy dia nety nifanaraka tsara tamin'ny ankamaroan'ireo lafika.

Raha sady irianay ny hampiasa karazany avy amin'ilay fango tranainy (adinkra amantarana ny GV miakatra ery amin'ny faravodilanitra toy ny masoandro), dia tianay ihany koa ny hitrandraka zotra vaovao tanteraka mba hahitàna raha toa misy tsaratsara kokoa ho an'ny maso ka afaka mandeha samirery.

Ireo karazana sary famantarana notsongaina tao amin'ilay Noun Project, loharano goavana raha resaka sary famantarana ampiasàna lisansa malalaka arahana zaraasa fikarohana mitondra ho amina fieritreretana iray manome anao vokatra mahaliana rehefa mikaroka ny toy ny hoe “community” sy “help“.

Ity ny fanombohana tsotra nampiasàna ny Etica, endritsoratra mahafinaritra avy amin'ny tranonkala GV nasiana fanavaozana sy sary famantarana iray nofisahana:

Endritsoratra Etica , sary famantarana adinkra tsotra.

Manaraka, endritsoratra toy ny teo ihany, saingy nasiana tànana misandratra fa tsy adinkra kosa. Tsotra ho an'ny maso sady matanjaka ilay izy, saingy moa ve ilay tànana mahatafita ny hafatra momba izay iraka tontosain'ny Rising Voices?

Endritsoratra Etica , sarin-tànana ho famantarana.

Karazany iray ahitàna tànana vitsivitsy miaraka misandratra. Heveriko fa ity no tsaratsara kokoa ho an'ny Rising Voices noho ny hoe tànana tokana monja. Tsy misy hafa amin'ilay fangon'ny Voices Without Votes fahiny, nefa tsy voatery ho zavatra ratsy an!

Endritsoratra Etica, sarin-tànana ho famantarana.

Ity dika iray ity mety hampiseho tànana “miasa miaraka” fa tsy tànana misandratra fotsiny sy mikatsaka ny hisarika ny saina fotsiny. Heverinareo ve fa mety hahasarika ny maso izy io, ary koa mahalaza hevitra an'ohatra?

Endritsoratra Etica, sarin-tànana mifanampy manao faribolana.

Karazany Endritsoratra: Etica, Helvetica Neue, Open Sans

Izao indray dia karazana ednritsoratra vitsititsy nampiasàna fango tsotsotra. Misy iray mety hifanaraka kokoa amin'ny Rising Voices ve?

Endritsoratra Helvetica Neue , sary famantarana adinkra tsotsotra.

 

Endritsoratra Open Sans, sary famantarana adinkra tsotsotra.

Exit mobile version