Hijery ny Vaovaon'ny Sisintany ao Karen anaty sarintany lehibe kokoa.
Miarina amim-pitandremana fatratra avy amin'ireo taompolo maro nisian'ny ady an-trano ny fanjakàna Karen, taorian'ny fampitsaharana fifampitifirana nifaovan'ny governemanta birmàna sy ny Karen National Union (Firaisam-pirenen'i Karen). Fanampin'ny fanarahamaso ataony amin'ny toedraharahan'ny zon'olombelona tena manahirana manaraka ny sisintany iraisan'i Birmania sy Thailandy, ireo olontsotra mpampita vaovao ao amin'ny Fanjakana Karen no rohy iray tsy azo ihodivirana ho an'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo tsy afaka miditra aterineto mba hahazoana izay fahalalàna fototra ilaina momba ilay fifanarahana vonjimaika ho fampitsaharana fifampitifirana, izay amin'ny maso tsy misy fanantenana no ijeren'ny vondrom-piarahamonina Karen ny voasoratra ao amin'izao fotoana izao.
Ho hitarin'io tetikasa io ity tolotra fanolorana vaovao ity, amin'ny fanofanana olontsotra ho mpanao gazety hampiasa ny rakipeo azo henoina na aiza na aiza (podcasts) mba hampifandraisana ny feon'ireo olona nafindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany ka miteny ny fiteny Karen amin'ny vondrom-piarahamonina Karen miaina toy ny mpialokaloka any Thailandy, hatramin'ireo zanaka am-pielezana Karen mpialokaloka napetraka ao Kanadà, Aostralia, Etazonia ary ny Firenena Mitambatra (UK). Amin'ny fanaovana ireo torohay ho azo raisina mikasika ireny lohahevitra ireny, na ny eo an-toerana, na ny any anaty aterineto, dia antenain'ilay tetikasa ny hitazonana ny vondrom-piarahamonina Karen, izay haingana be dia voapetraka any amin'ireo firenena vahiny, tsy ho tapaka fifandraisana amin'ny kolontsaina sy ny firenena niaviany ara-tantara. .