Blog for a Cause! efa misy amin'ny teny Makedoniana.
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2010, tetikasa taloha)
Ny
Blog for a Cause!,
Tari-dalan'ny Global Voices ho an'ny Blog Advocacy (bilaogy momba ny fiarovana), dia efa
misy amin'ny teny Makedoniana noho ny
fandikan-teny nataon'i
Elena Ignatova avy ao amin'ny
Global Voices amin'ny teny Madedoniana.
Efa nadika tamin'ny teny espaniola, frantsay, sinoa ary arabo ny Blog for a Cause!
Manasongadina toro-lalana mora arahana mikasika ny fomba fampiasana bilaogy ho toy ny ampahany amin'ny hetsika fanoherana ny tsy rariny ny toro-lalana ary manasongadina ohatra nahomby tamin'ny bilaogy mpisolovava manerana izao tontolo izao. Ahitana fizarana dimy izy io:
- Foaran'ny fanontaniana matetika mikasika ny atao hoe bilaogy fanandrata-teny
- Ireo singa dimy manan-danja indrindra amin'ny bilaogy fanandrata-teny nahomby
- Dingana 4 hananganana bilaogy fanandratateny
- Ny fomba ahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonina mientana ahitana mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
- Toro-lalana hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.
Блогирај за кауза! dia azo trohana amin'ny PDF. Mety mila mametraka ny Adobe Acrobat Reader maimaim-poana ianao raha hijery izany.
Trohy azafady ny Блогирај за кауза! ary ampio izahay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.