Ampio izahay hanapa-kevitra izay ho atao fanadihadiana!

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2005)

Vao haingana izahay no namaha olana ara-teknika naharitra ela ary afaka hanomboka hanao ny “Skypecasts” – fandraketam-peo fanadihadiana atao ao amin'ny Skype – afaka tapa-bolana. Satria efa vonona hanao izany izahay, dia manontany tena izahay hoe iza no hiresahana voalohany. Ahoana ny hevitrareo – mpamaky? Feon'iza no irianao ho re ao amin'ny tranonkala Global Voices? Ampio izahay hanapa-kevitra izay ho atao fanadihadiana voalohany amin'ny fametrahana izay tianao ao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra.

Exit mobile version