Tondradrano Tao Mumbai

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Niaina orana mikija (156mm tanatin'ny 24 ora) i Dhaka tamin'ny voalohan'ity volana ity. Nandrakotra ny ampahefan'ilay tanàna ahitàna kolontsaina samihafa ny ora-nikija ka nampitsahatra ny fiainan'ny olompirenena 10 tapitrisa. Mbola feno rano ny làlana sy ny arabe, nakatona ny fianarana ary nijanona nihidy kosa ireo toeram-pivarotana goavana.

Saingy tsy misy manakaiky ilay niainan'i Mumbai tanatin'izay roa andro izay. Mihoatra nòho izay mety heritreretin'ny olona ireo orana tsy tapaka voarakitra ho 896mm tanatin'ny 24 ora. Toa renirano ireo làlana, voatazona anaty toeram-piasana amin'ny andro alina ireo mpiasa, tapaka ny jiro any amin'ireo faritra maro, tsy mandeha ny antso an-taribihy, mitsahatra ny fifandraisana amin'ny any ivelany satria nahato ny sidina sy ny fandehanana an-dalamby. Nanambara fialantsasatra maharitra roa andro ho an'ny daholobe ny governemanta.

Tsy afaka mihazo any San Jose ilay bilaogera Indiana, Dina Mehta, mba hanatrika ny fihaonamben'ny BlogHer satria nahemotra amin'ny fotoana tsy voafaritra ny sidina misy azy.

Nanome ny vaovao farany ireo bilaogera Indiana eto sy eto.

Exit mobile version