Emirà Arabo Mitambatra sy Arabia Saodita: “Hafana ny Tontolo Andro!”

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2007 ity adika eto ity)

Tsy mba fantatra ilay sarimihetsika Hollywood Ishtar, momba ireo toeram-pandraisana mpihira any Maraoka izay tratran'ny teti-dratsy iraisampirenena teo amin'ny CIA sy ny “Emir an'i Ishtar” saingy fantatra ao amin'ny aterineto amin'ny andalana tokana kosa manao hoe: “Hafana ny tontolo andro!” Tamin'ny herinandro lasa, nilaza izany ireo mponina ao amin'ny Helodrano, satria niakatra ny mari-pàna tao amin'ny faritra, tafakatra 40 degre (Celsius). Hoy i junvalerio, monina ao Dammam, nanazava:

Nilaza ireo dokotera Saodiana fa manomboka amin'ny 21 Jiona 2009, mety ho tafakatra 60 degre ny mari-pàna ao Riyadh eo anelanelan'ny 11 ora sy 2 ora atoandro mandritra ny 26 andro.

Toa tratran'ny ratsy rindrindra i Arabia Saodita, araka ny filazan'ireo mpisera Twitter eto: Nilaza tsy nihambahamba i smqasim hoe:

Inona no mitranga amin'ny toetranndro ao Riyadh. Tena mafana loatra

Saudi, monina ao Riyadh, nitaraina momba ny hafanana…

Andriamanitra ô! Mangotraka loatra eto!

Khaled nanazava taminy hoe:

47 degre eto Riyadh? tsinontsinona izany

Tsy i Arabia Saodita ihany no firenena miatrika toetr'andro mafana tafahoatra.  Kjarjous, ao Dubai manana tantara zaraina:

Mafana be eto Dubai? Miempo ny fonon'ny boky rehefa ao anaty fiara. Eny, mafana loatra.

Farany, fampitandremana ampy ho an'ny tsirairay mihevitra hanao fialan-tsasatry ny fahavaratra ao Emirà ny siokan'i Arabear:

Ao amin'ny seranam-piaramanidina ao Dubai, maka namana avy any Milan. Nilaza tamin'izy ireo aho fa mafana be aty! Nihaino ve izy ireo? Tsiiia! Tongasoa eto amin'ny afobe. LOL

Exit mobile version