Polisy Miaramila Breziliana Manampatra Ny Fony Amin'ireo Mpanao Hetsi-panoherana Tsy Mitsahatra Mitombo

Thousands gather at the beginning of the demonstration. Photo by @uneoficial, free to use.

Olona an'arivony no mivory teo am-piandohan'ilay fihetsiketsehana. Sary avy amin'ny @uneoficial, afaka ampiasaina.

Taorian'ny fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny herinandro lasa teo manohitra ny fanonganana an'i Dilma Roussef sy ny fanoloana azy, nanatri-maso onjana herisetra an-dalambe ny Filoha Michel Temer, Brezila ny Alahady 5 Septambra lasa teo.

Ireo mpikarakara dia niteny fa olona manakaiky ny 100.000 no nanatrika ny hetsi-panoherana, nandeha avy any Paulista Avenue ka hatrany amin'ny Largo da Batata, kianja lehibe ao amin'ny ilany Andrefana (ary ny manan-karena indrindra) ao an-tanàna. Tsy nisy herisetra voatatitra nandritra ny hetsika, fa ny polisy no toa namafy baomba mandatsa-dranomaso, raha efa vonona ny handeha amin'ny làlana mody ny olona. Michel Laub, Breziliana mpanoratra nanatrika ny fihetsiketsehana, miteny fa ny polisy dia nihetsika nefa tsy nisy fihantsiana hita taratra akory.

Nizara sarin'ny zava-nitranga ny Democratize Agency:

PM reprime ato antes do final. Guilherme Boulos chama a ação da polícia de “provocadora”. #ForaTemer #DiretasJa pic.twitter.com/9u0XCrJ4X1

— Agência Democratize (@agdemocratize) 4 de setembro de 2016

Mamoritra ny fihetsiketsehana alohan'ny hifaranany ireo PM (Polisy Miaramila). Niantso ny polisy toy ny ”mpihantsy” i Guilherme Boulos.

Araka ireo vavolombelona, vondrona iray avy amin'ny polisy—sampoana manokana avy amin'ny polisy miaramila voatokana hifehy vahoaka marobe—no nanatona ireo mpanao fihetsiketsehana ivelan'ny tobin'ny metro ary nanomboka nidaroka ireo olona tsy nisy fihantsiana. Teo ihany koa i Ivan Valente, mpikambana ao amin'ny  kaongresy. Taty aoriana izy dia nanameloka ny fitondrantenan'ny polusy:

Milaza ny mpibaiko ny Polisy Miaramila fa nanatanteraka ny fangataha'ny [orinasa] Metro ry zareo. Saingy lavin'ireo mpiambina ny Metro ny filazàn'ny Polisy Miaramila ary niteny izy ireo fa tsy nisy fandrobana ary tsy niantso tohana izy ireo.

Dianà bala fingotra teo amin'ny vatan'ny mpanao fihetsiketsehana iray. Sary an'ny Democratize, azo ampiasaina malalaka.

Mpahay siansa ara-tsosialy tao aminà toerana iray  fisotroana eo amin'ny manodidina no miteny fa naheno fipoahana izy ary nihazakazaka nankany an-toerana. Nibitsika izy:

Teo an-dàlana, fantatro fa ilay fialàna olana tamin'ny herisetra famoretana natao tamina FIHETSIKETSEHANA AM-PILAMINANA iray dia resaky ny Polisy Miaramila sy  vondrona iray izay naniry ny hiditra tao amin'ny tobin'ny metro.

Nizara lahatsarin'ny valintenin'ny polisy i Alderman Nabil Bonduki:

Lamentável. Policia militar ataca as pessoas na Faria Lima sem nenhum motivo após e encerramento do ato #ForaTemer pic.twitter.com/fE9HYsls9F

— Nabil Bonduki (@spNabil) 5 de setembro de 2016

Mampalahelo. Polisy Miaramila manafika ny vahoaka ao Faria Lima amin'ny tsy misy antony taorian'ny fiafaran'ny fihetsiketsehana #ForaTemer

Nanampy i Laerte Coutinho, mpanao sariitatra:

Fihetsiketsehana mahafinaritra, vahoaka milamina, ary diabe lavatamin'ny farany ny Polisy Miaramila dia nanampy nandringana, famin'ny filazàna fa nisy fandrobàna. Ary io fotoana io no nampiasain'ny media ho toy ny lohateny.

Ny kaonty Twitter an'i Midia Ninja dia nandrakitra anaty lahatsariny ny fisamborana lehilahy iray – Hélio Ramos, 37 taona, izay navotsotry ny polisy taorian'ny sasakalina:

URGENTE Apos ato com mais de 100 mil pessoas PM ataca manifestantes sem motivo em SP pic.twitter.com/NXadRw6cuX

— Midia NINJA (@MidiaNINJA) 5 de setembro de 2016

MAIKA Taorian'ny hetsika nahitàna olona maherin'ny iray hetsy, nanafika tamin'ny tsy misy antony ireo mpanao fihetsiketsehana ny PM

Taty aoriana ny kaonty Twitter an'ny Polisy Miaramila niteny fa namaly fotsiny ireo mpandroba sasany ireo manampahefana:

Tao anatinà hetsika iray tanaty filaminana teny ampiandohana, nihetsika ireo mpandroba ka nanery ny Polisy Miaramila hiditra an-tsehatra miaraka amina fampiasana hery voalanjalanja / bala simika.

Vatampaty iray nodorana mba hanehoana ny fanjakan'i Temer. Sary avy amin'i Fernando DK/Democratize, afaka ampiasaina malalaka

Namoaka lahatsarin'ny Largo da Batata voatelin'ny entona mandatsa-dranomaso ny BuzzFeed:

O ato já tinha acabado. Em tumulto, PM dispara bombas e gás. pic.twitter.com/kwuRFC1XWd

— BuzzFeedNewsBR (@BuzzFeedNewsBR) 4 de setembro de 2016

Efa vita ny fihetsiketsehana. Tao anatin'ny korontana, nitoraka granady mankarenina sy entona mandatsa-dranomaso ny Polisy Miaramila.

Nitifitra entona mandatsa-dranomaso hatrany anaty fiara fitanteram-bahoaka mihitsy aza ny Polisy, niteraka ny fahatoranan'ny vehivavy zokiolona iray ary tsy fahazoana aina ho an'ireo ankizy  marobe. Felipe Souza, mpanao gazety ho an'ny BBC, dia nodarohan'ireo manampahefan'ny Polisy Miaramila na dia nanamarina ny tena araka ny nangatahana aza.

Nanafika olona tany anatin'ireo trano fisotroana sy fisakafoanana ihany koa ny Polisy Miaramila. Voarakitry ny Democratize Agency sary ny sasany tamin'ireny zava-nitranga ireny :

A PM atacou bares e restaurantes nas proximidades do Largo da Batata após a manifestação. #ForaTemer #DiretasJa pic.twitter.com/Xb1ev88elU

— Agência Democratize (@agdemocratize) 5 de setembro de 2016

Notafihan'ny Polisy Miaramila ireo trano fisotroana sy fisakafoanana nanakaiky ny Largo da Batata taorian'ny fihetsiketsehana

Misy lihany koa ahatsarina manampahefan'ny polisy mitifitra ranon-dipoavatra ny olona mihiaka teo anoloan'ny trano iray fisotroana:


Mpampiasa ,Vinicius Duarte, nanoratra hoe:

Ny Polisy Miaramila ao São Paulo dia mino fa ”ilaina ny fifehezana ireo korontana” amin'ny famafàzana entona mandatsa-dranomaso ao anatin'ny metro.

Hitany fa ny ”tetika fanaparitahana” dia ny mandeha miaraka amina fiara eo alohana trano iray fisotroana misy olona eo amin'ny sisin-dalana ary ny mitifitra ranon-dipoavatra eny amin'ny tavan'izy ireo.

Lazao amin'ireo mpibaiko polisy eran-tany (afa-tsy ny eto, mazava ho azy) ary raha tsy mampiseho sarin'ny fihetsiketsehana ianao, tsy misy hino na iray amin'izy ireo aza.

Voasambotra Talohan'ny Hetsi-panoherana

Olona enina amby roapolo, tafiditra ao anatin'izany zaza valo tsy ampy taona, no voasambotra tao amin'ny Foiben'ny Kolontsaina tao São Paulo, akaikin'ny Avenida Paulista, noho ny fiahiahiana azy ireo ho nikononkonona fandrobana nandritra ilay hetsika, araka ny Ponte Jornalismo. Iray tamin'ireo voasambotra i Felipe Ribeiro, 27 taona, izay nianatra tao amin'ny trano famakiam-boky  ary milaza fa tsy nikasa akory ny hanatrika ilay fihetsiketsehana.

Olona enina hafa no voasambotra nanditra ny fihetsiketsehana noho ny nitafiany akanjo mainty sy saron-tava (akanjo mifandray amin'ny  Black Blocs - fomba fampiasan'ny mpanao hetsika ho fanafenana ny maha-izy azy) .

Valo ambiny folo tamin'ireo voatazona no voampanga ho mpikambana anaty fikambanana mpanao heloka bevava ary fanodinkodinana tsy ampy taona (loharanom-baovao hafa no miteny hoe folo no isan-ireo tsy ampy taona ). Navotsotra tamin'ny alin'ny 5 Septambra avokoa izy rehetra ireo, ny olon-dehibe aloha, izay nofafàn’ireo mpitsara ny fiampangana azy, ary avy eo, iny alina iny ihany koa ireo tsy ampy taona.

Ny heverina ho porofo manenjika ireny olona ireny dia ny fitaovana maro hita: saron-tava fiarovana amin'ny entona ary solomaso fampiasa ho fiarovana ny maso, ary hatramin'ny finday sy zavatra manokan'ny tena. Ny voafonja ihany koa dia nandany adiny valo tsy nisy fifaneraserana tamin'ny mpisolovavany na ny ray aman-dreniny.

Nokianin'ny ONG Article19 ny fihetsiky ny polisy:

As detenções dos jovens configuram violações ao direito de manifestação e à liberdade de expressão, as quais têm aumentado significativamente nos últimos dias em função do cenário político nacional. Além disso, a situação se mostra ainda mais preocupante pelo fato de os detidos terem sido mantidos incomunicáveis por horas e sem acesso à Justiça.

Ny fisamborana ireo tanora tsy ampy taona dia midika fandikan-dalàna amin'ny fanakanana tsy hanao hetsi-panoherana sy haneho hevitra malalaka, izay tsy mitsahatra ny mitombo tato ho ato noho ny tontolo politika. Ankoatra izany, ny toe-javatra dia mampiahiahy kokoa noho ny zava-misy hoe notazonina tsy nisy nahafantatra nandritra ny ora maro tsy afaka nifandray tamin'ny fitsarana ireo voafonja.

Pablo Ortellado, mpampianatra ao amin'ny Oniversiten'i São Paulo, dia nanoratra tao amin'ny Facebook fa ny polisy dia toa nijirika ny kaonty WhatsApp-n'ireo voampanga mba hanarahany maso ny fandehan'ny tetikadiny. Miteny i Ortellado fa nanararaotra ny fahefany ny mpampihatra ny lalàna tamin'ny ”fisamborana hanaovana fanadihadiana,” izay faritany ho toy ny ”sisan'ny fitondrana jadona tsy ara-dalàna.”

Exit mobile version