Rindrambaiko Maimaimpoana ho an'ny Onjam-peo Antseraseran'ny Fiarahamonina Indizeny

Vaovao farany momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Screenshot of the Radio Jitari Kichwa website

Pikantsarin'ny tranonkalan'ny Radio Jitari Kichwa

Nosoratan'i Jonathan Finlay, La Wambra Radio.

Since the moment we launched the online radio, we have received messages from many parts around the world, and that makes us very happy.

Hatramin'ny nandefasanay ny radio antserasera, naharay hafatra avy amin'ireo faritra marobe manerantany izahay izay tena mahafaly anay.

Izany no nolazain'i Marlon nientanentam-po, talen'ny ny onjam-peo La Voz de Nae, iray amin'ireo onjam-peo mandeha anaty aterineto amin'ny alalan'ny habakany manokana ao amin'ny faritra Amazonia Ekoatera. Izany rehetra izany dia noho ny tetikasa Shuar sy Achuar: ny tantaranay, ny teninay ato amin'ny aterineto.”

Nandritra izany dingana izany, nandray anjara tamin'ny tetikasa ireo indizeny mpampita hafatra avy amin'ny onjampeom-piaraha-monina efatra, anisan'izany ny Radio Voz de Arutam, ny Radio Voz de Nae, Radio Voz de à Cascadas ary ny Radio Jatari Kichwa, ary izany rehetra izany dia niainga avy amin'ny tsy maintsy hampielezana mihoatra ny fetran-tany mahazatra feon'ny firaisamonina Ekoatoriana Shuar , Achuar ary Kichwa ho re manerana an'izao tontolo izao amin'ny fampiasana ny aterineto. Nahitam-baliny ity filàna ity tamin'ny 2004 tamin'ny fanasan'ny Rising Voices nahazoan'ny La Wambra Radio vatsy.

Nanomboka tamin'ny alalan'ny fametrahana sehatra ifampizarana fahaiza-manao ara-teknika, ara-panomezam-baovao, ara-pifandraisana teo amin'ireo fantsom-pampielezampeom-piarahamonina tamin'ny Novambra 2013 ny raharaha ka afa-nanokona tsirairay ny feon'ireo hetsika, fikambanana, fiarahamientan'ny elatra havia ry zareo hananganana tambajotra lehibe sy mahazaka tena ara-pitantanana. Raha afohezina dia hananganana sehatra iraisana ataon'ny firaisankina ho an'ny firaisankina.

Ho an'ny La Libre sy ny La Wambra Radio, ny fomba fiasa dia ho fanomezan-kasina ny fifandraisana eo anivon'ny fikambanana ao an-toerana, sy fifampizarana teknolojia maimaimpoana sy mahavita tena amin'ny alalan'ny fifampitantanana sy ny fampitana fahaiza-manao. Indrindra indrindra rehefa heverina ho fantatra tamin'ny alalan'ny fametrahana rindrambaiko maimaimpoana roa ao amin'ny lohamilina roa tantanin'ny firaisankina amin'izao fotoana izao izany teknolojia izany.

Samy mandeha amin'ny GNU/Linux ireo lohamilina roa ireo ary manao ireto raharaha ireto:

Mbola mitohy ny raharaha ary efa azo henoina an-tserasera ireo radiom-piarahamonina efatra: La Voz de la NAE, La Voz de Arutam, La Voz de las Cascadas ary Radio Jatari Kichwa.

Ny radio tsirairay dia efa eo ampanatevenana votoaty mitaratra ny fomba fijerin'izy ireo izao tontolo izao, ny fomba fifandaminany, ny mozika avy ao amin'ny fireneny manokana sy amin'ny fiteniny manokana, izay fandraisana anjara lehibe amin'ny fanomezan-kasina ireo fantsona radiom-piarahamonina ho an'ny indizeny ao Amazonia Ekoateriana ireo.

Exit mobile version