Te-hankasitraka ireo tsirairay nanolotra tetikasa mba hodinihin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013 ho fanentanana ny mponina amin'ny alàlan'ny haino aman-jery ny Rising Voices. Fa mbola nandre indray feon'olona an-jatony avy amin'ny firenena maherin'ny 100 izay nanana hevi-baovao hampandraisana anjara ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana sy hampianatra azy ireo ny fomba fampiasana ny haino aman-jery izahay.
Nanamarika ity taona ity ny nanaparitahana ny vovonana vaovao iaraha-miasa izay ahazahoan'ny mpifaninana mametraka ireo hevitra savaranonandony mba ho hita sy marihana, ary hanamora ny fampifandraisana izany amin'ny tetikasa mifanahaka aminy izay mifototra amin'ny lohahevitra notsongaina na mifototra amin'ny toerana ara-jeografia iray manana ny maha izy azy. Vokany, nahazoana fanehoankevitra miaraka aminà fanontaniana maherin'ny 500, tamberina ary ny teny famporisihina ireo tetikasa navoaka. Misy sarintany ahitàna maso ireny tetikasa ireny amin'ny toerana misy azy ary io dia tranonkala mahaliana hijerena ireo soso-kevitra avy amin'izao tontolo izao.
Nandinika sy nisivana tsara ireo tetikasa 74 tamin'ireo efa ho 860 avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hodinihina amin'ny fihodinana manaraka ny komity miasa an-tsitrapo avy amin'ny Global Voices. Mampiseho lohahevitra samihafa ary avy amin'ny firenena maherin'ny 50 ireo tetikasa ireo.
Mahafaly anay ny mitanisa ireto tafakatra amin'ny dingana famaranana ireto, izay asaina mba handefa ny tolo-kevitra farany mba hodinihin'ny Rising Voices. Avy amin'io vondrona io no hifidiananay tetikasa dimy hovatsiana vola mba hanatanterahany ny heviny. Ireto ny lisitry ny teikasa manaraka ny filaharan'ny alfabeta :
Marihana, azafady, fa nisy tetikasa sasany nifidy ny tsy handray anjara amin'ny famoahana tsy an-tery ny heviny noho ny antony samihafa, tsy hisy fiantraikany amin'ny fifidianana farany izany fanapahan-keviny izany.
Manana fahafahana handalina ny heviny amin'ny fanolorana soso-kevitra mivelatra bebe kokoa ho dinihina ireo mpifaninana ireo. Azon'ny mpifaninana tafakatra amin'ny dingana famaranana atao ny mampiditra lahatsary, feo, na sary ho fanampin'ny tolokevitra nosoratany.
Rehefa alefan'ny mpifaninana ny tolokeviny farany, dia avoakanay ao amin'ny sehatra firesahan'ny Famatsiam-bola Kiritika mba hahafahan'ny vondrom-piarahamonina maneho hevitra indray sy hisian'ny tamberina fanampiny.
Manantena izahay fa hamoaka ny fanambaràna izay voafidy hahazo ny Famatsiam-bola Kiritika alohan'ny faran'ny herinandro faharoan'ny volana Aprily.
Tsarà vintana ry mpilalao amin'ny famaranana !