Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012 ny fampisehoana hotontosaina any Hong Kong. Nametraka adihevitra tao amin'ny fiarahamonina tao an-toerana ny vondrona evanjelisitra iray manohitra ny fahatongavany any Hong Kong ny andro mialoha ny fampisehoana voalohany.
Nanao fanentanana hanoherana ny fiteteza-paritr'i Lady Gaga an-tserasera ny vondrona evanjelisitra mpitahiry ny nenti-paharazana iray, Media Evangelism Limited, manasa ny kristiana hanasonia sy “hivavaka ho an'ny tanoran'i Hong Kong hahatohitra ny fakampanahin'i Lady Gaga”. Mametraka ny online poster [zh] fa:
Lady Gaga 演唱會將於 2/5 – 7/5 來港舉行,演唱會帶有色情、同性戀及崇拜撒旦的元素,亦容讓 3 歲以上人士進場。我們籲請信徒支持緊急代禱簽到行動,為青少年的心智守望禱告。
Poster calling for Christians to sign in to pray for youth against the
Hotontosaina ny 2 ka hatramin'ny 7 mey ny fampisehoan'i Lady Gaga eto Hong Kong. Hahitana endrika vetaveta, fitiavan'ny mitovy karazana (lahy sy lahy; vavy sy vavy) ary satanika ny fampisehoana ary azon'ny ankizy mihoatra ny telo taona idirana. Eto izahay miangavy ny kristiana hanasonia sy hivavaka ho an'ny saina sy ny fanahin'ny tanora.
Manazava ny katroka ataon'ny Kristiana ao amin'ny fivavahana ataony ny mpisera Facebook Julie Lam [zh]:
她的新歌 Born This Way “生來如此” — 聲稱上帝創造同性戀者及同性戀不是罪,她積極推動同性婚姻合法, 影響了數個國家的立法。她 的表演志在香港及亞洲打開黑暗的大門讓邪惡進入,目標是要嚴重影響青少年, 導致道德墮落。
Voalaza ao amin'ny hirany vaovao, Born This Way, [Teraka tamin'izao lalana izao] fa namorona ny mpitia mitovy fananahana aminy Andriamanitra ary tsy fahotana izany. Misolo vaovao amin'ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny mitovy karazana [fananahana] izy ary firenena maro no efa resiny lahatra tamin'izany. Manoka-baravarana hidiran'ny ratsy ny zava-bitany. Hitarika handresy lahatra ny tanora no tanjony ary hitondra ny fahasimbàn'ny fomba fitondra-tena.
Tsy ampy zato no nanasonia ny takelaka ary ny ankamaroany aza manohitra ny fampielezan-kevitry ny vondrona evanjelisitra. Ireto ambany ireto ny nofantenina tamin'ireo vavaka ao amin'ny takelaka fanasoniavana [zh].
Mivavaha ho an'andriamanitra hanazava ny sain'ny tanorantsika. Ampahafantaro ahy ny manavaka ny eritreritra sy ny fihetsika ratsy. Ampahafantaro azy ny varotra sandoky ny zaridainan'ny sambofiaran'i Noah. Tsy izany ve no olana kokoa noho ny an'i Lady Gaga amin'ny fanolikolena ny fisainan'ny olona? Mivavaka ho an'ireo voasasa atidohan'ny median'ny evanjelisitra aho mba hiverina ny fahaiza-misaina ary hiverina ho amin'Andriamanitra.
Rainay ô! ampahirato indray ireto jambain'ny haino aman-jerin'evanjelisitra ireto!
Mpihira i Lady Gaga. Misafidy ny tanora hifidy ny lalana marina izy. Asandrany ny fitiavana, ny fahafahana, ny fitoviana eo amin'ny samihafa volonkoditra, karazana, ary safidy ara-pitiavana. Tsy mpivavaka amin'i Satana izy, mananihany amin'ny fandaharam-potoanan'ny mpandray ny lanonana izy. Manaraka ny Ray any an-danitra ny fony. Andriamanitra o, avelao ny helok'ireo mitsaratsara foana an'i Lady Gaga noho ny propagandin'ny evanjelisitra. Tariho lalana re ny mpino tarihin'ireo vondrona evanjelisitra ireo ho any amin'ny lalana marina. Amena.
Mitsikera ny vondrona evanjelisitra ho mampiely ny ‘fahotana gay’ i Chu Ka Yu [zh]:
Mizarazara ny fiaraha-monina, manaporitra izay tsy mitovy soatoavina, manasa atidoha ny tanora amin'ny hafatry ny Fahotana Gay, manandratra ny finoany ho hany marina eto amin'izao tontolo izao, mandà ny mieritreritra momba ny hafatr'Andriamanitra, mandidy ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahaizan'olona iray voafetra, izany no ataon'ny ‘fiangonana’.
Mino an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy aho. Mamaky ny Baiboly aho. Izany no hanoherako ny Fiangonana.
Tsy raharahako raha hilaza ahy ho devoly na zavatra hafa ianao….
Avoitran'i Siu Heng fa hain'ny tanora ny maka ny safidiny manokana [zh]:
Tsy mpitia an'i Lady Gaga aho ary tsy mieritreritra ny hijery ny fampisehoany. Manaja ny finoan'ny hafa aho. Saingy tsy zakako kosa ny fiheverana ny tanora ho adala hivadika ho ratsy noho ny fampisehoana iray. Manao fomba fisainana Talibans tsotra izao ianareo miampanga ny hafa ho diso fomba fisainana satria hafa ry zareo.
Mitsikera ny mpandala ny nentin-drazana ho mampiely ny fankahalana i Vita Lam [zh]:
Mety ho an'ny Kristiana ve ny mandidy isian'ny fanavakavahana ireo vitsy an'isa ao amin'ny fiaraha-monina ho fanehoana ny finoany?
Raha mamely ny finoana kristiana ny hafa rehetra, ahoana ny ho fihetsikareo?
Tia ny rehetra eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, saingy ny marina, marina kokoa ny filazana fa mampisongadina fankahalàna ny fivavahana.