Misy vaovao tsara sy vaovao ratsy avy eto Kenya. Ny vaovao tsara aloha dia ny handravahana zavamaitso [zavamaniry] ny renivohitra Nairobi, ary ny vaovao ratsy kosa dia ny mety hakana tany na handavahana tany amin’ny toerana manodidina ny Tendrombohitra Kenya. Hojerentsika ao amin’ny GV tontolo iainana ny momba izany tantara rehetra izany.
Aleo atomboka amin’ny vaovao tsara aloha, Nitatitra ny fivoriambe faha-17n’ny fitarihana olona i Bankelele ka naheno ny tenin’i John Gakuo, mpikarakara an’i Nairobi city nilaza ny“Hamerina indray ny Lazan’i Nairobi’.”
Tahaka ny nataon’ny Ben’ny tanànan’i New York teo aloha (efa Kandidà ho Filoham-pirenena ankehitriny) Rudy Giuliani tamin’io tanàna lehibe io tamin’ny tanelanelan’ny taona 1990, dia inoana hanadio ny tanànan’i Nairobi koa ny mpikarakara avy ao amin’ny vaomieran’ny tanànan’i Nairobi John Gakuo , hahatonga ny tanàna ho milamina sy ho toerana mahafinaritra hotsidihana. Efa ampy ny bolongana mitantara ny fiovan’endrika maro tahaka ny fahazavana, ny fiantsonan’ny fiara, ny fandraisana mpiara-miasa ary ny teti-panorona ampiasain’Atoa Gakuo hanaovana an’I Nairobi ho tanàna maitso.Nanome fanamby ny tenany ny hitantanana tsara ny harena eo ampelatanana satria ny tsy harena no vahaolan’ny fiovana, raha mahita isika fa maro ny firenena no manana harena voajanahary izaitratra nefa fadiranovana ny mponina ao aminy, ary ny sasany kosa mahavita zavatra lehibe sady betsaka na dia tsy misy loatra aza ny eo ampelatanana. Ary dia izay indrindra moa no iompanan’ny lohahevitra najorony: ampiasao izay anananao hahazoanao izay tadiavinao. Tena hita mivaingana ny fahombiazan’ny zavabitany hita eny ampidirana ho any an-tanàna noho ny fahaiza-mitantana ary tsiniany ireo mpitondra mpilaza fa ‘tsy misy ny vola’ mba tsy hanaovana na inona na inona, fa tsytokony hahita ny fomba hafa hamahana ny olana amin’ny fomba hafa foana.Mba hahitana ny vokatry ny fandraisana andraikitra nataon’I Gakuo dia ho ao amin’ny mpibilaogy sy mpaka sary egm isika, izay nandefa ny sarin’I
Nairobi ahitana ny hatsaran’ny zaridaina afovoan-tanàna, ampiasaina ho toeram-pitsangatsanganana ho an’ny be sy ny maro io zaridaina io no sady akanin’ny biby ihany koa araka izay asehon’ny sary eto ambany.Nanome sary maromaro maneho ny fambolen-kazo tanterahin’I mpanolotsainan’ny tanàna John Gakuo teny amin’ny arabe manerana an’I Nairobi i Egm.
Tombananay fa eo ho eo amin’ny 12.000 ara eo ho eo (1 acre mira 40 ara) ny velaran’ny ala mety ho ripaka amin’izany asa atao izany. Ao anatin’ny faritr’ala voalohany (tsy mbola nopotehin’olombelona) anatin’ny lovan’izao tontolo izao ao an-tendrombohitry
Kenya ny toerana hotrandrahana.