Tafatafa niarahana tamin'i Emilie Frapiccini

Mpandika GV frantsay asongadina ho an'ny volana Janoary 2023

Emilie Frapiccini. Fampiasàna nahazoana alàlana.

GV : Afaka milaza aminay ny mombamomba anao ve ianao? Iza marina moa i Emilie FRAPICCINI ?

Emilie FRAPICCINI: Frantsay aho, manam-piaviana Italiàna sy Pôlôney. Nitombo tao anaty fianakaviana iray lehibe sy tonolon-kolontsaina marolafy. Nahaliana ahy mandrakariva ny fiteny sy ny fivezivezena, izany no nahatonga ahy aloha nanomana ny Master LEA, ary avy eo iray hafa momba ny fandikàna teny. Nipetraka tamina firenena maro tao Eorôpa aho, tany Azia Atsimo-Atsinanana sy Amerika Latina, izay nanova ny fomba fijeriko an'izao tontolo izao : tiako ny mianatra momba ny hafa, tena kely ny zavatra fantatra ! 🙂
GV : Oviana ianao no nanjohy ny GV ary inona no nandrisika anao ?
Emilie FRAPICCINI: Ny Septambra 2022 aho no nirotsaka ho ato amin'ny GV (vola efatra mahery kely eo izao). Faniriako ny hampiasa ny fankafizako ny fiteny mba hanaovana izay hahafahan'ireo mampiasa  sy miteny frantsay manerana ny tany mahazo mora kokoa ny vaovao erantany avoakan'ny GV. Fa nahoana no ny GV? Satria hita ato :
- ireo vaovao izay mazàna mahaliana sy tena ilaina, nefa dia tsy zaraina mandrakariva amin'ireo media goavana
- ireo lahatsoratra ana mpanao gazety izay tsy voatery hanana zo haneho hevitra eny anivon'ireo sahankevitra mibahan-toerana
GV : Ambarao anay ny zavatra niainanao tato amin'ny GV amin'ny maha-mpandray anjara, inona no tena nanamarika anao ?
Emilie FRAPICCINI: Tato amin'ny GV, nihaona tamin'ireo mpiaramiasa tena mahafinaritra sy azo ifandraisana mandrakariva aho (Juliette 🙂 ), ary ireo vovonana apetraka hiasàn'ireo mpandika dia tsotra sy mora ampiasaina. Tena mahafaly ahy  ny fiarahako miasa amin'ny GV, ary manantena aho ny ho afaka hanohy mandritra ny fotoana ela.
 

GV : Amin'ny maha-mpandika asongadika ho an'ity volana ity, raha handrisika ireo mpiaramiasa ato amin'ny GV ianao, inona no ho ambaranao azy ireo ?

 

Emilie FRAPICCINI: Tohizo ny asa fandikàna ireo zavatra inoanareo, ary ampitao amin'ny manodidina anareo mba hahafantarana ity loharanom-baovaova ity amin'ny olona maro araka izay tratra.. Tena manome fahafahana lehibe ho antsika ny GV.
Exit mobile version