Ahoana moa raha icons no ifampiresahantsika amin'ny hoavy mba hanehoan-javatra sy fotokevitra? Sarisary ny icons, matetika isika no mampifamatotra azy amin'ny fahaizamamorona. Ny fandefasana hafatra dia mifamatotra amin'ny eritreritra manaraka rafipisainana satria ilaintsika ny misaina momba ny gramera, raha ny fampiasàna icons kosa indray dia fanazàrana ny atidohantsika hahay hamorona. Araka izany, rehefa mandefa hafatra amin'ny alàlan'ny icons, dia sady fizàrana hahay hamorona no fanarahana rafipisainana no ataon'ny atidohantsika.
Misy fikambanana iray ao Soisa, KomunIKON, miketrika karazana fifampiresahana ampiasàna ny maso mba hahafahan'ireo olona avy amin'ny fiteny samihafa hifampiresaka tsy misy olana. IKON no iantsoan-dry zareo azy io. Adikan'izy io ho icons ny lahatsoratra mba ho azon'ireo mpampiasa halefa ho an'ny mpampiasa hafa. Ny icons vokarin'ny KomunIKON dia azo ampiasaina na aiza na aiza ilàna manoratra hafatra, na toy ny inona na toy ny inona ireo kazarana handray azy, eny fa na ireo olona manam-pahasahiranana aza, toy ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra na manana fahasembanana.
Ireto misy fehezanteny maromaro novokarin'ny KomunIKON. Azafady, ataovy ao an-tsaina fa fiteny tena manana fahafahana hiovaova ny IKON, tsy misy fitsipika henjana ilaina hianarana, na iza na iza dia afaka mampiasa azy araka izay tiany, rehefa takatr'ilay andefasana azy fotsiny.
Ao anatin'ity fehezanteny amin'ny fiteny anglisy ity, misy zavatra roa (“izaho” sy “oroka”). Noho io antony io, nampianay mpampiankina “to” (“ho”) eo alohan'ny “ianao”.
2. Fiainana manontolo anatin'ny alina iray
Io no lohatenin'ny sarimihetsika italiàna iray novokarin'i Robert Bresson (1967). “Manontolo” dia mifanohitra amin'ny hoe “antsasany, vitsy an'isa na ny ankamaroany”. “Fiainana” dia mifanohitra amin'ny hoe “fahafatesana”. “Anaty” dia mifanohitra amin'ny hoe “ivelany”. “Alina” dia mifanohitra amin'ny hoe “antoandro”.
3. Haingana, avo, matanjaka kokoa
Noforonina ireo icons ireo hankalazàna ny fandresen'i Italia nandritra ny Lalao Olaimpika tanatina sokajim-panatanjahantena 3. Asehon'ilay sary ny dikany amin'ny fiteny Latina sy Italiàna, ny dikany amin'ny fiteny Malagasy dia “Haingana, avo, matanjaka kokoa”.
Na misoratra any Soisa aza, hita ao anatin'ny ekipan'ny KomunIKON ireo olona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, avy amina firenana samihafa, toa an'i Italia, Frantsa, Alemàna, Rosia, Senegaly, Espaina, Ekoatora, Indônezia, Panamà, Ogandà, India, Timor Atsinanana, sns… Ao amin'ny KomunIKON no amakiana misimisy kokoa momba io tarika mahaliana io sy ny IKON.