Antso ho an'ny mpanoratra: mitady lahatsoratra miompana amin'ny zo nomerika ny Global Voices

Niavian'ny sary: Electronic Frontier Foundation [CC-BY].

Ny Global Voices dia mitady lahatsoratra fanolorana maro hanaovana tantaram-panadihadiana momba ny fandahonana ny zon'olombelona eo amin'ny habaka nomerika. Ny lahatsoratra dia havoaka ho anisan'ny UPROAR, tetikasa iray karakarain'ny Small Media izay mandrisika ny governemanta hamaha ireo fanamby ao amin'ny Universal Periodic Review (UPR). 

Ny lahatsoratra nokomandiana dia afa-mifantoka, fa tsy voafetra, amin'ny:

Amin'izao fotoana izao izahay mitady mpanoratra hanoratra momba ireto firenena manaraka ireto: Libanona, Liberia, Rwanda, Namibia, Sierra Leone, Gambia, Senegal, ary ny Repoblika Demaokratikan'i Congo.

Ny tantara dia tokony hanaraka ny fitarihan-dalan'ny fomba fanoratra GV sy ny fitarihan-dalana zotram-panoratana Advox ary ny fetr'isan'ny tantara tsirairay dia 1000. 

Miangavy alefaso imailaka amin'i afef.abrougui@globalvoices.org ireo lahatsoratra fanolorana nataonao.  

Homena valin-kasasarana $150 USD ireo mpanoratra.

Exit mobile version