Gresy: Voatendry ho Renivohitry ny Tanora Eoropeana 2014 i Thessaloniki

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2011 ity lahatsoratra ity)

Thessaloniki: European Youth Capital. Source: TVXS.

Thessaloniki: Renivohitry ny Tanora Eoropeana. Loharano: TVXS.

Andro iray feno hafaliana ho an'ny tanànan'i Thessaloniki ny omaly 18/11/2011, izay nanambarana azy ho Renivohitry ny Tanora Eoropeana 2014. Natao tao amin'ny tanànan'i Braga, Pôrtogaly ny fanambaràna ofisialy, notanterahin'ny filohan'ny Zaikaben'ny Tanora Eoropeana, Peter Matjašič, izay nanambara fa:

“Nanangana ny fandraisana anjara mahery indrindra i Thessaloniki, miaraka aminà tetikasa mafonja feno hevi-baovao”

Hita anatin'ny Twitter (#Thess2014) sy Facebook ireo hafatra sy fanambaràna fiarahabàna feno fanantenana sy fibanjinana ny lafiny tsara ho an'ny fah9mbiazan'ny hetsika. Tsinjon'ny maro ho dingana iray ahafahana maneho ny hakanto sy ny hakingan'ny tanàna io fahombiazana io ary ho fiadiana amin'ny toloko sy ny hakiviana nameno an'i Thessaloniki noho ny krizy ara-toekarena.

Naneho ny heviny tao amin'ny Twitter i Fotis:

@citizenfotis: Μέσα στη γενικότερη μιζέρια και μια θετική είδηση για τη Θεσσαλονίκη που το αξίζει. Συγχαρητήρια!!! #thess2014

@citizenfotis [el]: Anatin'ny fahantrana goavana no isian'ny vaovao vitsy tsara ho an'i Thessaloniki izay mendrika izany. Arahabaina!!! #thess2014

Jereo eto ny lahatsary ofisialy nentin'i Thessaloniki nandray anjara ary vakio bebe kokoa ny fampahafantarana ilay hetsika sy ny fametrahana ny Renivohitry ny Tanora Eoropeana ao amin'ny vohikala ofisialy, izay efa voadika amin'ny teny 10 samy hafa.

Exit mobile version