Taratasim-baovao isam-bolana momba ny tambajotram-piarahamonina sy ny fidirana amin'ny aterineto isa-toerana – laharana faha 31

AlterMundi nanohana ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Arzantina tamin'ny fametrahana ny tambajotran'izy ireo manokana, na dia ao anatin'ny valan'aretina aza. Sary: AlterMundi, nampiasana lisansa CC BY-SA 3.0.

Ity taratasim-baovao ity dia ao anatin'ny tetikasa mitondra ny anarana hoe “Tambajotra amin'ny Aterineto isa-toerana: Afa-mifanerasera ve ireo tsy miserasera?” novolavolain'ny APC niaraka tamin'ny Internet Society sy ny Rhizomática, ary notohanan'ny Ivontoeram-pikarohana Iraisampirenena ho an'ny Fampandrosoana avy ao Canada (IDRC). Navoaka indray eto amin'ny Rising Voices izany ho ampahany amin'ny fiaraha-miasa amin'ny APC. Namorona sehatra vaovao ho an'ny tambajotram-piarahamonina hizarana ny zavatra niainana sy hivoarana miaraka ny APC. Miangavy ateveno ny https:/communitynetworks.group/

Hetsika sy fivoriana

  • Fiaraha-miasa eo amin'ny IBEBrasil sy ny ISOC Brazil no manolotra fianarana momba ny fandrindrana ireo tambajotram-piarahamonina. Vakio bebe kokoa.

Ireo loharano azo tamin'ny hetsika teo aloha

  • Tamin'ity taona ity, natao an-jotra ny Fivoriana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF), ary maro ny fotoam-pivoriana momba ny tambajotram-piarahamonina, toa ity atrikasa momba ny Tambajotram-piarahamonina ity, ny Herinaratra sy ny Fampandraisan'anjara Nomerika izay niresahana ny politika fanaovan-dalàna. Vakio bebe kokoa .
  • Isa-taona, mikarakara hetsika antsoina hoe Fifanakalozan-kevitra momba ny Tambajotram-piarahamonina (CNX) ny Orina Mpanasoa Digital Empowerment (DEF). Azonao jerena ato ny firaketana ny andiany tamin'ity taona ity. Vakio bebe kokoa.
  • Nanasongadina fotoana momba ny Maodely Fifandraisana Hafa ho an'ny Fifandraisan'ny Vondrom-piarahamonina, izay niresahana ireo tambajotram-piarahamonina isankarazany ny Vovonana Dynamic Spectrum Alliance Global 2020. Vakio bebe kokoa.
  • Natao an-jotra ny hetsika Battlemesh tamin'ity taona ity. Efa hita amin'ny Aterineto izao ny firaketana ny hetsika. Vakio bebe kokoa.
  • Fivoriana an-jotra momba ny famatsiam-bola ho an'ny tambajotram-piarahamonina aty Afrika, nandritra ny Vovonana momba ny Tambajotram-piarahamonina aty Afrika. Vakio bebe kokoa .
  • Natao an-jotra ny fivoriana miisa dimy nandritra ny Vovonana momba ny Tambajotram-piarahamonina aty Afrika tamin'ity taona ity. Telo no efa vita, fa mbola misy roa ho avy! Vakio bebe kokoa.

Ny Tambajotram-piarahamonina ao amin'ny vaovao sy ny blaogy

  • Namoaka fanambarana miaraka amin'ny antso mba ahafahan’ “Ny Vondrom-piarahamonina Mifanerasera” haingana ny fiaraha-miasa amin'ny Public Access (fidirana ho an'ny daholobe). Vakio bebe kokoa.
  • Community Networks Stories: Rafi-pifandraisana an-tsivalo nampifanarahana amin'ny filàna sy ny toe-javatra misy ao an-toerana ho an'ireo vondrom-piarahamonina saro-dalana any Amazon. Vakio bebe kokoa .
  • Nasongadina ho toy ny fanadihadiana tranga ny Zenzeleni tamin'ny tatitra isa-taona avy amin'ny Prosperity Fund ho an'ny taona 2019 ka hatramin'ny 2020. Vakio bebe kokoa.
  • Lisitry ny loharanon'ny tambajotram-piarahamonina ao amin'ny Zotero, narindran'i Eric avy ao amin'ny Wakoma. Vakio bebe kokoa.
  • Natsangana ireo tambajotram-piarahamonina vaovao na dia nandritra ny valan'aretina aza tany Arzantina. Vakio bebe kokoa .
  • Nanasongadina ny sanganasan'ny Zenzeleni ao anatin'ny andian-dahatsoratra bilaogy momba ny tambajotram-piarahamonina ny KICTANet. Vakio bebe kokoa.

Manamiralenta tambajotram-piarahamonina

  • Nanasa ireo vehivavy miasa amin'ny tambajotram-piarahamonina hizara ny zavatra niainany tamin'ny fotoanan'ny COVID-19 ny ekipan'ny tetikasa GenderIT.org sy ny tambajotran-tsersera APC eo an-toerana (LocNet) . Ity dia iray amin'ireo tantara nozaraina momba ny fikarakarana ara-pahasalamana miaraka amin'ny teknolojian'ny fifandraisana mandritra ny valan'aretina. Vakio bebe kokoa.

Vaovao momba ny politika sy ny fitsipika

  • Fandraisan'ny fiarahamonim-pirenena anjara amin'ny fakana hevitra avy amin'ny vahoaka nataon'ny Anatel, orinasan'ny fifandraisandavitra Breziliana, amin'ny fanamorana ny lasitrasa fahazoan-dàlana ho an'ny mpandraharahan'ny fifandraisandavitra. Vakio bebe kokoa.
  • Fandraisana anjara avy amin'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fakana hevitra avy amin'ny vahoaka nataon'ny Manampahefana misahana ny Serasera Etiopiana momba ny Vatsy Fahazoa-[miserasera] Erantany Erandanitra. Vakio bebe kokoa .
  • Fanitarana ny tontolon'ny mpandraharahan'ny fifandraisan-davitra: torolàlana momba ny politika sy ny fitsipika amoahana mpandraharaha ao an-toerana. Vakio bebe kokoa.

Fitaovana sy boatim-pitaovana

  • Zahao ity fantsona YouTube ity raha mila fampianarana momba ny tolotra fampiantranoan-tena ho an'ireo tambajotranao. Vakio bebe kokoa.

Fahafahana mahazo vatsy ara-bola

  • Nanao antso misokatra ho an'ny Fanamby Famahana Olana Ankapobeny 2021 ny Cisco, miaraka amin'ny loka hatramin'ny 25.000 USD ho an'ny vahaolana ho an'ny tontolo iainana na sosialy. Vakio bebe kokoa.

Lahatsoratra teo aloha

  • Ato ny taratasim-baovaon'ny lahatsoratra teo aloha.
Exit mobile version