Mizara Fahalalàna Manerana Ny Tendro Atsimo Ny LibreBus

Nandritra ny roa herinandro tamin'ny Mey 2011, namakivaky ireo faritra amin'ireo firenen'i Goatemalà, El Salvador, Hôngroa, Nikaragoà, ary Costa Rikà tanatin'ny LibreBus (Fiara Fitaterana Malalaka), ireo mafàna fo mikasika ny kolontsaina sy ny rindrambaiko malalaka avy ao Amerika Afovoany, ankoatr'ireo hafa,   izay nanao fiatoana matetika hizaràna traikefa sy fahalalana tamin'ireo vondrom-piarahamonina tao an-toerana nandritra ny dia.  Nalaina an-dahatsary sy notahirizina izany tontolo andro iray manontolo izany, ary afaka mijery ny lahatsary fanadihadiana nandritra io fitsidihana io ato anao . Haverina hotanterahana any Amerika Atsimo io traikefa io amin'izao fotoana izao ho ampahany amin'ny LibreBus ConoSur (Tendro Atsimo).

Nanomboka tany amin'ny tanànan'i Valdivia, Shily ny 27 Aogositra 2012, nitaingina fiara fitateram-bahoaka iray ny vondronà mafana fo teo amin'ny 20 teo handia làlana 8.000 kilometatra izay hitondra azy ireo ho any amin'ireo tanàna 23 any Shily, Arzantina, Orogoay ary Paragoay. Miara-mandrindra amin'ireo mpiara-miasa ao an-toerana, ireo mpandeha ao anatin'ny LibreBus dia hanome resadresaka sy atrikasa mikasika ny lanjan'ny fahalalahana miteny, ny rindrambaiko malalaka, ny fizaràna votoaty, ireo loharano fanabeazana misokatra, miaraka aminà fifantohana manokana amin'ny fahasamihafan'ny fiaviana sy ny maha-lahy na vavy. Tafiditra anatin'io fiatoana io ihany koa ireo fampisehoana sy ireo hetsika ara-kolontsaina hafa. Hita ao anatin'ny vohikalan'ny LibreBus ny lisitra iray manontolon'ireo tanjona:

 

 

 

Haharitra hatramin'ny volana Septambra io fitsidihana io ary hofaranana any an-tanànan'i La Plata, Arzantina ny 29 Septambra 2012. Ity ny fandaharam-potoana feno mikasika ireo fiatoana voalahatra :


hijerena ny Librebus anaty sarintany lehibe kokoa
Ny ONG Shiliana Derechos Digitales no mpikarakara voalohany indrindra an'io tetikasa io, miara-miasa amin'ny Via Libre Foundation, hatramin'ny fampiantranoana ireo mpikambana anatin'ny ekipa hafa, ary ireo fikambanana mpiara-miasa manana rafitra sy fampiantranoana, ahitàna ny  Global Voices Online ho toy ny Media mpiara-miasa.

Sarin'ny LibreBus an'i FrancisJervis ary nampiasaina teo ambanin'ny fahazoan-dàlana CC BY-NC-SA 2.0.

Mandritra io fitsidihana maharitra iray volana io, mitoraka bitsika ao amin'ny kaonty ofisialy Twitter (@LibreBus) ireo mpandeha anatin'io fiara mpitatitra io, mampiasa ny tenifototra #LibreBus. Ho fanampin'izay, misy ihany koa ny Pejy Facebook LibreBus sy ireo sary akarin'izy ireo ao anatin'ny kaonty Flickr -n'izy ireo.

Exit mobile version