- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitantarana manokana 2009: Lahatsary 10 voalohany avy amin'olon-tsotra

Sokajy: Mediam-bahoaka

pictureshow
Fanentanana nandoavam-bola tamin'izany: Nahazoana vatsim-pianarana nankany amin'ny Akademian'ny Sarimihetsika any New York nandritra ny fetiben'ny sarimihetsika “Picture Show” [1] tao amin'ny Put it On [2], tranonkala vaovao ho an'ireo mpanakanto tsy fantatra manerantany .

Matetika varavarankely hijerena ny tontolo tsy fantatra ny lahatsary ato amin'ny Global Voices. Mampiasa lahatsary hanampiana ny fitantaran'izy ireo mandritra ny fotoanan'ny krizy, ny fotoana mahafinaritra, na ny fanentanana antserasera mba hanatsarana ny fiainan'ny olon-tsotra na aiza na aiza misy azy. Jereo ary ny sasany tamin'ireo lahatsary nankafizinay indrindra tamin'ny taona 2009.

  1. Iran, lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia [mg] [3]
  2. Filipina : Ny Tranga ”Juana Change” ao amin'ny Youtube [mg] [4]
  3. Bolivia: Mamaham-bilaogin-dahatsary ho an'ny jamba [mg] [5]
  4. Lahatsarin'ny fihetsiketsehana : Mpanampy an-trano Filipina mandihy tany Hong Kong [6]
  5. Kolombià: Hetsi-panoheran'ny vahoaka Indizeny, Famonoana tsy nolazain'ny fampitam-baovao [fr] [7]
  6. Lahatsary manerantany: Ny fomba fijery ny “gripan-kisoa” , ny hanihany, ny vongan-tsira [mg] [8]
  7. India: [9] Indostrian'ny diamondra mandalo krizy, mpiasa 71 namono tena [mg] [10]
  8. Slumdog Millionaire sy ireo tanàna farahidiny Indiana [mg] [11]
  9. Iran: Niteraka ny lahatsary fikatrohana an-tserasera  [12]ny fibabohana tamin'ny fahitalavitra [12]
  10. Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo [mg] [13]

Inona ireo tantara an-dahatsary nankafizinao indrindra tato amin'ny Global Voices? Mandefasa mailaka any amin'i Juliana Rincón Parra [14] raha manana fanehoan-kevitra na tantara ianao .

Misorata anarana ao amin'ny fantsona YouTube Video Global Voices [15] raha hijery ireo sasany amin'ireo lahatsary maro manana rohy mifandraika amin'ny Global Voices.
pictureshow
Fanentanana nandoavam-bola tamin'izany: Nahazoana vatsim-pianarana nankany amin'ny Akademian'ny Sarimihetsika any New York nandritra ny fetiben'ny sarimihetsika “Picture Show” [1] tao amin'ny Put it On [2], tranonkala vaovao ho an'ireo mpanakanto tsy fantatra manerantany .