- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afaka Tamin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava
Atena Farghadani with her mother, Saedeh Zeynali. From the Facebook page of journalist Atefeh Eghbal [1]

Atena Farghadani miaraka amin'ny reniny, Saedeh Zeynali. Sary: Facebook

Navotsotra avy ao amin'ny Fonjan'i Evin ilay Iraniana mpikatroka sady mpanao sariitatra Atena Farghadani. Tamin'ny 26 Aprily, nitatitra [2] [mg] ny Global Voices fa nahena ho 18 volana ny saziny 12 taona. Tamin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany, 3 Mey, izy no navotsotra.

Lohahevitra malaza ao amin'ny serasera manerana an'i Iran sy any amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena misahana ny zon'olombelona ny fanafahana ilay mpanao sariitatra tamin'ny 3 mey, ary tafiditra amin'izany ity sioka avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena Misahana ny Zon'Olombelona ao Iran ity:

Noafahana i Atena Faraghdani.

Afaka mamaky bebe kokoa ny mpamaky teny persiana ato: آتنا فرقدانی از زندان اوین آزاد شد+تصویر [5]

Momba ireo tatitra nataon'ny Global Voices tamin'ny raharaha Atena Farghadani izay saika efa voadika amin'ny fiteny malagasy avokoa indray: