- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Novonoin'ny valan'aretina ny Karnavaly 2021 an'i Trinite sy Tobago, fa mamelona ny fanahiny ny hira soca

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina, COVID-19
[1]

“Inona ny fitiavana tsy misy fankamamiana?” Photo [1] petapetaka avy amin'i Mark Morgan [2] ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0 [3].

Hatramin'ny nanambaràna fa hofoanana [4] [mg] ny karnavaly Trinite sy Tobago 2021 noho ny COVID-19, lasa mahatsiaro sadaikatra ireo mpamonjy fetibe ao amin'ny firenena.

Ilay fahatsapana ho manina (amin’)izay very—fahita mahazatra amin'ny fitia tsy mifamaly—no ilay lazain'ny Trinbagoniana hoe tabanca [5], ary misy ny zavatra vitsy tian-dry zareo mihoatra noho ny karnavaliny [6]. Efa tsapan'ireo mpamonjy fetibe sahady ny tsi-fisian'ny fetibe, rehefa mihamangotraka amin'ny volana janoary sy febroary ireo lanonana mialoha karnavaly.

Ary mba hamenoana ny banga sy hitsinjovana ny fotoana mety hampisy fanantenana kokoa, ny kaonty Twitter The Proud Caribbean no nanomboka ny rojom-baovaon [7]‘ny hira soca malaza izay milaza fa ho “hafa” ny karnavaly voalohany aorian'ny valan'aretina. Indro ny tsipalotra amin'ireo izay notsongain-dry zareo.

Ny voalohany dia ny gadona an-danonana avy amin'i Machel Montano, mpanao fampisehoana iray kinga tokoa amin'ny fampihetsehana vondron'olona:

Ho atombotsika amin'ny Mpanjakan'ny Soca! rehefa tonga ao amin'ny fety ity hira ity, dia tena fientanentanana madiodio… tsy misy dikany ny hafa rehetra amin'io fotoana io, afa-tsy ianao, ny hira sy ny olona azonao.
Haunted avy amin'i Machel Montano

Tafakatra ambony amin'ny lisitra ihany koa ny “Zig Zag” an'i Lyrikal, izay manandratra ny dihy valahana fanaon'ny mpanafin-tarehy, sy ny efa lasa klasika avy hatrany “Savannah Grass” an'ny Kes the Band, izay fanandratana ny toerana irohotan'ny fankalazana ny Karnavaly (ny Queen's Park Savannah [10]):

Hampahatsiahy fihetseham-po ity hira ity rehefa ho avy ny Karnavaly voalohany aorian'ny valan'aretina, hahasahana ny zava-drehetra momba ny karnavaly ity hira ity ary avy eo hatanjaka dia hatanjaka ny famoahana fihetsehampo nananantsika.
Savannah Grass avy amin'i Kes the Band

Gadona nalaza ny “Bacchanal” an'i Kerwin Du Bois, rehefa mamehy ny fikimpiana anjambany miaraka amin'ny “filalaovan'ny daholobe” ny fihetseham-po:

Efa ela ny niandrasanay hijerena ny lalan'ny Karnavaly, efa vonona amin'izany isika rehetra. Izao mihitsy ny fihetsika ho ataontsika, tsy misy na iza afa-miteny izay ho atao satria “bacchanalistes” isika!
Bacchanalist avy amin'i Kerwin Du Bois

Manomboka mamaly amin'ireo ankafiziny indrindra ihany koa ireo mpanjohy, tahaka ny “Feel the Love” [15] an'i DJ Private Ryan and Freetown Collective:

Ahy ny “Feel the Love” (mahatsapa ny fitiavana)! Tsy mahandry ny handre azy eny an-dalana, handrotsa-dranomaso aho angamba ?

Eny fa na tsy hirotsahana an-dalambe aza aza  ny fetibe amin'ity taona ity, mbola ao am-pon'ny olona ny rivotry ny Karnavalin'i Trinite sy Tobago — ary tafaraka lisitra handeha mifanesy.

Araho ny randram-baovao na ampio ato [7] ny tolo-kevitrao.