Foana noho ny COVID-19 ny Fetibe fanaon'i Trinité-&-Tobago

"Le meggie de Mardi Gras": Attillah Springer, passionnée du Carnaval, souriante, fait un "meggie" – un geste de la main qui consiste à rejoindre le pouce et les quatre autres doigts en signe de dérision, de mépris ou de rejet. 

“Ny meggie rehefa Talata Matavy”: Attillah Springer, mpankafy an'ilay fetibe, manao “meggie” iray – fihetsiky ny tànana atao amin'ny fampitambarana ny ankihibe sy ireo rantsana efatra ambiny ho mariky ny fanambaniana, tsy firaharahiana na fanilihana. Sary an'i Georgia Popplewell tao amin'ny Flickr, nampiasàna lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Raha tsy asiana fanamarihana manokana, mitondra mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy daholo ny rohy ato anaty lahatsoratra.

Mety efa niomanana ihany saingy izao izy vao tena ofisialy: noho ny valanaretina COVID-19 [fr], nofoanana ny fankalazana ny Fetibe 2021 ao Trinidad&Tobago.

Ny tolakandron'ny 28 Septambra, nanao fanambaràna ny praiminisitra Keith Rowley, nanoritra io fetibem-pirenena io ho toy ny « tontolo iray lafatra ho an'ny fiparitahan'ilay otrikaretina». Na hisy  fiantraikany ara-toekarena aza io fanapahankevitra io, nambarany fa tsy afaka ny hanao kinanga izy.

Tsy atao mahagaga fa nizarazara be ny fanehoankevitra momba io fanambaràna io. Raha ny ampahany betsaka tamin'ny vahoaka no nankasitraka ilay fanapahankevitra ka nihevitra azy iny ho efa nampoizina sy matotra, ny sasany indray manontany tena momba izay hanjo ireo olona izay miankina amin'ny fisian'io fetibem-pirenena io ny fidirambolany. Rehefa nisy olona iray tao amin'ny Facebook nilaza hoe tsy tamim-pieritreretana ilay fanapahankevitra, namaly bontana i Josie Aché-De Goulard:

NO! it's realistic and logical is what it is. Everyone else has already gone ahead and cancelled theirs. I do not possibly see how any “right thinking” citizen of T&T could possibly think to put the country under further threat from Covid-19.

TSIA! Manaraka tsotra izao ny zavamisy io ary lojika. Tsy niandry antsika ireo firenena hafa fa tonga dia nanafoana ny hetsika tany aminy. Na iza na iza olompirenena misaina tsara eto T & T dia tsy hihevitra akory ny hamela ny firenena ho tandindonin'ny COVID-19 bebe kokoa.

Efa nisy ny fetibe 2020 tao Trinité-sy-Tobago tamin'ny fotoana nandraketan'ny firenena ny tranga COVID-19 voalohany tamin'ny Martsa.

Ireo firenena hafa mpikarakara fetibe isantaona, isan'ireny i Brezila, dia efa nanambara ny fanafoanany ny azy, saingy fanintelony izao teo amin'ny tantaran'i Trinité-sy-Tobago no nanafoanana ny tao amin-dry zareo. Ilay trinidadiàna mpanoratra, Michael Anthony, dia nikirakira ny tantaran'io fetibe io tao anatin'ny bokiny “Parade of the Carnivals of Trinidad, 1839-1989″ (Matso rehefa fetibe (karnivaly) ao Trinidad, ny 1839 hatramin'ny 1989).

Ao amin'ny toko mitondra ny lohateny hoe « Fetibe anaty Tontolon'ny Ady », ampahatsiahivin'i  Anthony fa nitohy toy ny nahazatra ny fisian'ilay fetibe nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, tany Eorôpa no tena nitranga ny ankamaroan'ny ady. Ny andiany taty aorianan'ny ady, tamin'ny 1919, dia nomena anarana ho « Fetiben'ny Fandresena ». Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, naato ny fetibe teo anelanelan'ny 1942 sy 1945. Na izany aza dia nisy ihany ireo fankalazàna tampotampoka niseho teo tamin'ny 8 sy 9 May 1945 ho fankalazàna ny Andron'ny Fandresena tany Eorôpa [fr], ary ny 15 sy 16 Aogositra 1945 ho an'ny Andro Fandresena an'i Japàna [fr].

Noho ny loza nananontanona nateraky ny viriosin'ny pôliô dia nahemotra ilay fetibe fanao an-dalambe tamin'ny Febroary 1972 ho ny May 1973. Efa nisy araka izany fanemorana tany aloha tany an'ireny hetsika ireny. Raha ny marina, marobe ireo mpiondana aterineto no efa nanampo an'io, saingy mbola nanantena fa hisy ny fikarakaràna fankalazàna amin'ny fomba virtoaly.

Ny 24 Jona, efa nalefan'i Maria Rivas-Mc mialoha sahady tamin'ny sata tao amin'ny Facebook-ny fa « ho asan'ireo mpikarakara ny hitatitra ireo mpankafy firavoravoana anaty mozika sy hovitrovitra ampitain-davitra [any ivelany], amin'ny alàlan'ny Zoom ». Ireo mpamorona fitafiana toa an-dry Clary Salandy dia efa niaina ny atao hoe fetibe virtoaly. Narantiny tao amin'ny aterineto ireo andiana akanjo noforonin'izy mivady ho an'ny Fetiben'i Notting Hill 2020.

Naneho ny fientanampony ireo mpitantsoroka amin'ilay fetibe ao Trinité-sy-Tobago tamin'ilay hevitra hoe zaraina ao amin'ny habaka virtoaly ny asa vitan-dry zareo. Marc Bejai nanosoka hevitra toy izao tao amin'ny Facebook :

We keep forgetting that there are elements of carnival that are outside the realm of the street parade. We should adapt and showcase our calypso, pan, extempo and dimanche gras much like how sporting events are still being carried out.

Matetika ny olona mitady hanadino nefa misy endrika amin'ilay fetibe izay tsy ny fanaovana matso fotsiny eny an'arabe ihany. Mila ampifanarahantsika sy asongadintsika ny dihintsika calypso, ny fifaninanana Panorana karakaraintsika ary ireo fankalazàna ny Alahady Matavy, mitovy amin'ny an'ireny hetsika sasany ara-panatanjahantena mitohy karakaraina ireny.

Samy avy ao Trinida&Tobago no nipoiran'ny mozika calypso [fr] sy ny steel-drum [fr] (amponga-barika). Ny extempo [fr] dia endrika iray amin'ny calypso katrohana eo noho eo tsy nasiana fiomanana, ary rehefa Alahady Matavy, nadika ara-bakiteny ho “Big Sunday”, no fanaovana ilay fetibe makotroka, ka mandritra izany ireo amboara be mpikatsaka fatratra, toy ny “Mpanjakan'ny Calypso” no atolotra.

Franka Philip, mpiara-mamorona ny Trini Good Media, izay namokatra ny podcast « Talk ‘Bout Us », dia nandray ireo fanehoana fomba fijery momba ilay hevitra hoe hatao virtoaly ilay fetibe. Ny ankamaroan'ireo namaly dia nanombana hoe tsaratsara kokoa raha nahemotra fotsiny ireo fety. Zahra Gordon, etsy ankilany, nanosoka hevitra hoe fotoana izao mba hamerenana  ny fifantohana ho any amin'ireo fetibe isaky ny vondrompiarahamonina ary hamerana ny haben'ireo tarika goavana mpandray anjara.

Anthony Bisnath nanampy hoe:

Aside from the issue of a vaccine being made available globally, it’s difficult to envision any Carnival 2021 at all, due to the commercialization of the festival, and the limitations of two major sources of revenue: Government expenditure will be prioritized elsewhere, and corporate entities will slash sponsorship budgets.

Having a 2021 Carnival may jeopardize the planning cycle for one in 2022. It will be almost impossible to execute, as Carnival mas [costume] production is essentially a 12 month cycle. So there are challenges to logistics, Sponsorship, Supply Chain, Manufacturing, Costuming, International Travel, Consumer Patterns, Disposable Income and Statutory Approvals all changing for the next 18 months.

Ankoatra ny olan'ny vaksiny tsy haharaka manerana izao tontolo izao, sarotra be ny hieritreritra fanatontosana ny Fetibe 2021, noho ny resaka ara-barotra manodidina ilay fetibe sy ireo fameperana ny ara-bola mahazo ireo roa tena loharanombola. Ho alefa mankany amin'ny zavatra tena laharampahamehana ny fandaniana volambahoaka, ary ireo orinasa tsy miankina dia tsy maintsy hampihena be ny tetibola fanohanan-dry zareo.

Mety ho tandindonin-doza ny fikarakaràna ny Fetibe 2022 raha hikizy biby hitazona ny Fetibe 2021. Dia tsy ho azo tanterahana mihitsy izy raha izany, satria ny famokarana betsaka (ireo fitafiana) dia ilàna 12 volana. Fanamby ho an'ny enti-manana izany, fanamby ho an'ny fitadiavana famatsiambola, ny rojom-pamatsiana, ny famokarana ary ny famoronana ireo fitafiana, ny fivezivezena iraisampirenena, ny fahazàran'ireo mpanjifa, ny vola an-tratra azo ampiasaina ary ireo fanomezandàlana fanampiny, izay mety hiova daholo ato anatin'ny 18 volana ho avy.

Kanefa i Tillah Willah, mpanentana mavitrika amin'ilay fetibe, tsy misamaritaka amin'izany, raha jerena amin'ny nosoratany ao amin'ny Facebook :

You don’t always need a crowd to observe your ritual, to praise your ancestors, to offer thanks to the universe for your life.

Tsy ilàna vahoaka be vao ho voahaja ny fomba amam-panaontsika, ny fanomezana voninahitra ireo razambentsika, ary ny fanehoantsika fankasitrahana ny tontolo noho ny aina nomena antsika.

Iray hafa mpampiasa Twitter, etsy andaniny, no somary kely fanantenana:

Aleoko lavitra maniry tandroka toy izay mahafantatra hoe tsy hisy ny fetibe
— Travis World ? (@itstravisworld) 28 septembre 2020

« Maniry tandroka » : fitenin-jatovo karaibiàna mahazatra entiny milaza tsy fivadihana.

Noho ny fanafoanana ilay matso, manontany tena ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto raha toa ka tsy maintsy handeha hiasa ho an'ny Alatsinainy sy ny Talatan'ny Fetibe. Ankoatra ireo tolotra tsy maintsy ilain'ny daholobe, mikatona daholo ny ankamaroan'ireo orinasa amin'ireo andro ireo, na dia tsy andro fiatoana ofisialy aza ireo.

Tsy ela koa dia nipoitra ireo sary mahatsikaiky. Ity iray ity izao maneso ny mety ho tefiendrika (design) ho an'ireo fitafy 2021 an'ny tarika iray be mpankafy (fantatra amin'ny fomba fitafiny manara-bàtana) :

Mème sur le Carnaval 2021 de Trinité-et-Tobago, partagé très largement sur les réseaux sociaux. On y voit une personne en combinaison et masque intégral, la tenue à priori tendance pour l’édition 2021. « $1500 tout inclus, Tribu, Carnaval 2021 »

Sary mahatsikaiky ho an'ny Fetibe 2021 ao Trinité-sy-Tobago, nifampizaràna be tao amin'ny tambajotra sôsialy.

Teboka iray iezahan'ireo mpikarakara sy ireo mpandray anjara tsy mivadi-belirano amin'ny Fetibe ao Trinité & Tobago hitadiavana izay marimaritra iraisany ny Fetibe Virtoaly, saingy mbola be fanantenana amin'ny hanaovana ny Fetibe Virtoaly 2021 ilay mpara-miombona antoka  Rubadiri Victor :

Trinidad and Tobago should see virtual Carnival 2021 as the launch of T&T's virtual economy! […] We are creating a telegenic event with brilliant filmmakers and Carnival, Creative, and Business stakeholders for international consumption with brand T&T as the winner!

Tokony ho toy ny fotoana iray fanararaotra hanaingàna ny toekarena virtoaly eto T & T no ijeren'i Trinidad & Tobago ilay Fetibe Virtoaly 2021 ! […] Eo an-dàlam-pamoronana hetsika iray mambabo ny mason'ireo mpanaraka fahitalavitra isika izao, etsy ankilany miaraka amin'ireo mpanatontosa mahay, ary etsy andaniny ireo mpilalao an-tsehatry ny fetibe, ny asa famoronana ary ny fandraharahàna, natao hitodika amin'ny iraisampirenena. Ny sary famantarana an'i T & T no hivoaka ho mpandresy ao anatin'izany !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.