- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tsara indrindra tato amin'ny Global Voices ny taona 2010

Sokajy: Mediam-bahoaka
[1]

ARAHABA TRATRY NY TAONA! avy amin'ny 1suisse tao amin'ny Flickr (Creative Commons Attribution-NoDerivs 2.0 Generic)

Tratry ny taona hoy ny Global Voices!

Taona nahagaga [2] iray hafa teo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra anjotra izany, ary mbola miezaka mafy izahay hanao izao tontolo izao ho toerana mifandray bebe kokoa [3]. Manantena izahay fa hanampy anay hanao izany ianao amin'ny famakiana, fanomezana [4] ary mety hanoratra na handika teny [5] miaraka aminay mihitsy aza. Ahitana olona toa anao avy amin'izao tontolo izao manerantany ny vondrom-piarahamonina mpilatsaka an-tsitrapo ato aminay.

Ny taona 2010 dia taonan'ny horohorontany tany Haiti [6] sy Shily [7], ny fahamehana tany Jamaika [8], ny Fiadiana ny Amboara Erantany tany Afrika Atsimo [9] ary ny tondra-drano lehibe tany Pakistana [10]. Taona nahitana famoahana Wikileaks [11] marobe ihany koa ary ny fipoahana volkano tany Goatemala [12], Ekoadaoro [13]Indonezia [14].

Nahasarika ny sain'ny bilaogera tany Però [15] sy Arabia Saodita [16] ny oram-batravatra, ary nanohina izao tontolo izao ny fianjerana fiaramanidina tany Rosia [17] sy India [18]. Nakatona ny Facebook tao Pakistan [19], nahatonga lohateny lehibe manerantany ny hetsi-panoherana akanjo mena tany Thailandy [20], ary niresaka momba ny krizy ara-toekarena [21] kosa ireo bilaogera Grika.

Namerina nijery ny zava-nitranga tamin'ny 2010 ireo toniandahatsoratra ato aminay

Ny be mpamaky indrindra

Ny lahatsoratray be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010: Brazil: The Cala Boca Galvao Phenomenon [31], izay misy ampahany noho ny firesahan'i Ethan Zuckerman mpiara-manorina ny tranonkala ny tantara tamin'ny famelabelarana TED [32] nataony.

Shina no firenena miseho matetika ao amin'ny lisitr'ireo “lahatsoratray be mpamaky indrindra”. Anisan'izany, “China: ‘My father is Li Gang'” [33] , “Chinese blogger reviews of Avatar” [34] , ary “China: Confessions of a naked Internet runner” [35].

Jereo misimisy kokoa ireo lahatsoratray be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010 [36] [mg]

[2]

Taonan'ny Vovonana ho anay ihany koa ny taona 2010. Ireto ny sasany tamin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices teo anoloan'ny tranombokim-panjakana tany Santiago, Shily, izay nandray ny fivoriana tamin'ity taona 2010 ity.