- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kardinaly George Pell Zokiny Indrindra Ao Vatikana Hiatrika Fitsaràna Ao Aostralia Noho ny Herisetra Ara-nofo

Sokajy: Oseania, Aostralia, Vatikana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka
George Pell Committal Hearing [1]

Tonga tao amin'ny fitsarana i George Pell hihaino ny fanemorana ny didim-pitsarana. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Guardian News

Tsy maintsy hiakatra fitsarana ilay kardinaly fahatelo zokiny indrindra any Vatikana, George Pell avy ao Australia, noho ireo fiampangana maro mikasika herisetra ara-nofo [2] efa hatramin'ny taona 1970. Mpitsara avy ao Melbourne Belinda Wallington no namoaka ny fanapahakeviny taorian'ny fanemorana lavabe ny didim-pitsarana izay nanaisotra fiampangana maro hafa.

Tsy niaiky ny helony ilay Kardinaly. Izy no kardinaly fahatelo manana fahefana ambony indrindra any Vatikana, ilay antsoina hoe ‘mpitahiry volan’ ny Papa ary manana andraikitra amin'ny fitantanam-bolan'ny fiangonana. Anaty fialantsasatra maharitra izy amin'izao fotoana izao.

Zotram-pitsaràna naharitra ela vao tonga tamin'izao. Ny taona 2016, tsy nety hiverina hody [3] avy any Roma ho any Aostralia i Pell mba hitondra porofo eo anoloan'ny Kaomisionam-Panjakàna Misahana ny Valim-panadihadiana Mikasika Ny Fanararaotana Ara-Nofo [4] NataoTaminà Zaza Tsy Ampy Taona mikasika ireo lazaina fa fanafenana ataon'ny fiangonana Katolika. Tsy izay no nataony, fa naleony nandefa porofo tamin'ny alalan'ny rohy mankaminà lahatsary.

Tanatin'ny fivoaran-draharaha hafa tanteraka, voampanga ho nanao herisetra ara-nofo [5] ara-tantara i Pell araka ny voalazan'ny polisin'ny Viktoria ny volana jona 2017.

Na izany aza, maro ireo nahita fa misy ifandraisany akaiky ireo olana ireo :

Mbola miandry aho hoe ho voampanga noho ny fiarovany sy fanamoràny ny fanararaotana ataon'ny hafa amin'ny ankizy ny Kardinaly George Pell .

Maro ireo mpanararaotra no arovana na afindra mora foana any amin'ny paroasy hafa.

Ento izany!

VAOVAO TAPATAPANY : Hiatrika fitsarana ilay Kardinaly George Pell noho ny fanararaotana ara-nofo nataony tao Ballarat.#Evil [7]

Mampalahelo fa tsy nohenjehina noho ireo ratsy rehetra narovany koa izy.

Raha iny izy niditra tao amin'ny fitsarana iny dia noraisin'ireo vahoaka tamin'ny horakoraka [9] i Pell hoe “Tsy misy HIAFENANAO intsony androany, ra-George”.

Vetivety ny fanehoankevitra tanaty filazam-baovao sosialy. Maro tamin'ireo tanaty Twitter no niaro ireo niharan'ny fanararaotana ankizy ary nametraka an'i Pell ho meloka. Ny sasany toa an'i Lauren Ingram mahita ilay hetsika ho fiarovana ireo sahy niteny mafy:

Manolotra fitiavana ho an'ireo rehetra niharam-boina izay hitondra porofo. Mitaky hery ngezabe ny fijoroana toy izao. Hafatra mafonja ho an'ireo niharan'ny fanararaotana ankizy ity fitsarana ity. Na iza ianareo mbola any ivelany any – mbola misokatra foana ny hafatra mivantana mankaty amiko. https://t.co/pCRPmzLUtE [10]

Mifanohitra amin'izany indray, Callum Ramsay etsy ankilany niaro ny zon'i Pell hahazo fitsarana tsy mitanila :

Tsara ny mahatsiahy fa manan-jo haneho ny maha-tsy meloka azy ny Kardinaly George Pell mandra-pahatonga ny porofo manameloka azy, raha tsy hoe voaporofo teo anatrehan'ny fitsarana angaha fa meloka izy … raha tsy hoe efa naharesy lahatra anao tamin'ny fomba hafa ireo mpitolona ambony kitendry

Na izany aza, isan'ireo olom-bitsy manolotra ny fanohanany anaty aterneto taorian'ny nipoahan'ilay vaovao izy.

Tsy ny rehetra no mahazo antoka fa handresy ny rariny. Ity fanamarihana iray mahatsikaiky ity dia avy amin'i Rita El Daghl :

Tsy isalasalana fa ny fitsarana ny Kardinaly George Pell izao hitsabahan'ny mpitsabo hamaritra azy ho manana aretina iray, tsy ny kely indrindra amin'izy ireo ny fahaverezan'ny fitadidiany

Niombon-kevitra taminy i “Ming The Merciless”:

https://t.co/fVHUJBMqAs [14] avy amin'ny @smh [15] 150 taona aty aorian'ny niorenan'ny Fiangonana, ny fankantsakànana ary ny fanendrikendrehan ireo niharam-boina, ireo nohararaotina (ireo sisa navela hiaina, izay ilay izy) dia hanana ny androny eo anoloan'ny fitsarana – fa fotsiny aza manantena rariny avy amin'ny rafitra mitanilantsika ho an'ireo madinika.

Mety hihoatra ny herintaona ny fizotran'ilay fitsarana. Misy ny fanombantombanana momba ny ho avin'i Pell ao amin'ny ambaratongam-piangonana, indrindra ny fanohanana ho azony amin'ny Papa Francis (@Pontifex [17]);

Mbola mety afaka herintaona indray no hisy fitsaràna. 76 taona i Pell amin'izao, ary azo antoka fa hijanona ao Aostralia mandritra ny fotoana tsy voafetra. Hinoana fa ho eken'ny @Pontifex [18] ny fametraham-pialany amin'ny toerany ao Vatikana alohan'ny fitsarana azy.

Na izany aza, mety tsy hitranga mihitsy ny fametraham-pialan'ity lehilahy 76 taona ity raha ity fanambaràna ofisialy avy amin'ny Vatikana ity no raisina :

Milaza i #Vatican [20](Vatikana) fa “nanamarika” ny fanapahankevitra hanolotra ny Kardinaly Pell eo anoloan'ny fitsarana noho ny herisetra ara-nofo nataony tany aloha, saingy manantitrantitra kosa ny “fiatoany” amin'ny andraikitra sahaniny amin'ny fitantanana ny ara-bola eo amin'ny foibe masina dia “mbola mipetraka”. Raha lazaina amin'ny teny hafa : tokony hitohy ny fitsaràna alohan'ny didim-pitsarana. pic.twitter.com/xI9xScfiOj [21]

Raha te-hahalala bebe kokoa momba an'i Pell sy ny vaovao farany, jereo ny fitantarana nataon'ny Global Voices teo aloha :