- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no novakian'ny mpamakin'ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka

[1]

Ny lakilen'ny WHO ARE YOU [Iza ianao]. Sary avy amin'i Paul Downey mpisera Flickr. CC BY 2.0

Mikaroka, manoratra, manitsy, ary mandika tantara ao anatin'ny iraka hanohana ny zon'olombelona sy hananganana tetezam-pifankahazoana mihoatra firenena, kolontsaina ary fiteny ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay hanangonana ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa miezaka kosa izahay hitsongo dia ijerenay ny fiantraikan'ny asa mafy ataonay manerana izao tontolo izao.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 211 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tamin'ny fitsidihana ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Etazonia
2. Japana
3. Brezila
4. Frantsa
5. Meksika
6. Espaina
7. Però
8. Kolombia
9. Fanjakana Mitambatra
10. Taiwan
11. Kanada
12. Arzantina
13. Italia
14. Rosia
15. Alemaina
16. Jamaika
17. Trinidad & Tobago
18. Bangladesh
19. India
20. Indonezia

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

95. Azerbaijan
44. Repoblika Dominikana
92. Qatar
61. Belarosia
154. Niger

Global Voices teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. Jamaican Dancehall Star Buju Banton’s Impending Release from Prison Sparks Renewed Controversy [3]
2. Forced Onto Live TV With Her Employer, a Migrant Domestic Worker in Lebanon Recants Claims of Abuse [4]
3. Jereo ny nataon'ireo toeram-pitrandrahana harena ankibon'ny tany goavana tamin'ireo nosy filipiana efatra mahafinaritra [5] [mg] (nivoaka voalohany tamin'ny taona 2015)
4. Trinidad & Tobago’s LGBT Community Speaks Out as Court Decision on ‘Buggery’ Law Approaches [6]
5. SARIPIKA: Fankalazana rehefa nandidy ny lalànan'ny ‘fahapelahana’ ho tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ny Fitsarana Ambony ao Trinite & Tobago [7] [mg]

Lingua Global Voices

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Bangla

Katalana

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Holandey

Esperanto

Frantsay

Alemà

Grika

Hongroà

Indoneziana

Italiana

Japoney

Makedoniana

Malagasy

Nepali

Poloney

Portiogey

Punjabi

Rosiana

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu