- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hiatrika Fitsarana Ihany Ve Ny Governora Meksikana Javier Duarte ?

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
Javier Duarte PRI Veracruz

Duarte mpamono olona. Sary nozarain'ny mpisera Flickr Eneas de Troya [1] ,azo ampiasaina sy nahazoana alàlana avy amin'ny Creative Commons.

Manomboka mihamihidy ny fatotra mihatra amin'i Javier Duarte de Ochoa [2] , ilay governoran'ny fanjakana Veracruz [3] ao atsinanan'i Meksika. Nandritra ny fotoam-pitondràny, voampanga amin'ny raharaha maro isan-karazany i Duarte anisan'izany ny kolikoly sy ny famelezana mpanao gazety.

Tonga teo amin'ny fitondrana i Duarte tamin'ny alàlan'ny Antoko Revolisionera Tafajoro [4] (PRI), izay antoko mifehy ny firenena nandritra ny 70 taona tamin'ny taonjato farany ary nahazo indray ny fitondrana filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny kandidà Enrique Peña Nieto [5] tamin'ny taona 2012 .Voalaza [6] fa naaton'ny antoko PRI ny zon'i Javier Duarte tao amin'ny antoko tamin'ny 26 Septambra 2016 noho ny fanadihadiana momba ny heloka bevava [7] maro mahakasika azy, anisan'izany ny fanodikodinam-bola sy ny fanagonan-karena tsy ara-dalàna .

Tamin'ny May 2016, namoaka tati-baovao [8] ny vavahadin-tserasera Animal Político (Politikam-Biby) fa “nanjavona” ny volam-panjakana an-tapitrisany tao amin'ny fitantanan-draharahan'i Duarte noho ny fampiasana “orinasa tsy misy (matoatoa)”.

Funcionarios cercanos al gobernador de Veracruz, Javier Duarte, entregaron contratos a una red de empresas fantasma para la compra de productos que debían destinarse a población vulnerable, pero que nunca llegaron a su destino.

Nanao fifanarahana tamin'ny tambajotra noforomporonina ireo manampahefana akaiky ny governoran'i Veracruz, Javier Duarte, tamin'ny fividianana vokatra ho an'ireo mponina sahirana, kanefa tsy tonga tany amin'izay tokony nalehany izany.

Mpanao gazety 18 [9] no nisy namono nandritra ny fe-potoana nitondran'ity olo-manivaky ny PRI ity, anisan'izany i Anabel Flores [10] [mg] sy i Gregorio Jiménez [11] [mg], izay efa samy notaterina teto ao amin'ny Global Voices [teny malagasy]. Na ahoana na ahoana ho an'ingahy Duarte malaza, dia tsy mandray anjara mivantana na ankolaka amin'ny fiantohana ny fiarovana ireo manao ny asa fanaovan-gazety tamim-pahombiazana izy.

Tsy maintsy miatrika fitsarana i Duarte noho ny famonoana ireo mpanao gazety nandritra ny fotoam-pitondrany namelezana ny #FalalahanaMiteny [12]

Mampatsiahy ny zava-mitranga atrehin'ireo mpanao gazety any Syria na Irak ny karazana toe-javatra toy izany, ary fantatra [14] [mg] ho toy ny firenena mampidi-doza indrindra any Amerika Latina [15] i Meksika ho an'ny mpanao gazety araka ny Reporters Sans Frontiéres [Mpanangom-Baovao Tsy Voasakan-Tsisintany].

Azo heverina fa arahana fandroahana azy [16] amin'ny antoko PRI ny fampiatoana ny zony ao amin'ny antoko, na iangaviana ny fanesorana azy amin'ny toerany alohan'ny fiafaran'ny fe-potoana hiasany amin'ny 20 Novambra hiatrehany ny fiampangana azy. Ny fanontaniana dia hoe hijanona ho tsimatimanota ve izy sa hiatrika fitsarana ?