Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika

Nohamarinin'ny manampahefana Meksikana ny famonoana an'i Gregorio Jiménez de la Cruz, antsoina hoe “Goyo”.

Hita tany anaty fasana miafina tamin'ny 11 Febroary 2014 ny vatana mangatsiakan'i Jiménez de la Cruz araka ny filazan'ny gazety El Universal [es] sy La Jornada. [Tatitra tamin'ny teny Anglisy nataon'ny BBC eto]

Efa notaterin'ny Proceso [es] gazety amin'ny aterineto mpiseho isan-kerinandro ny tsy fahitana ilay mpanao gazety, ary nitadiavam-baliny avy amin'ny mpitondra.

Nandritra ilay ora manjombona, nampiasaina tao amin'ny Twitter ny tenifototra #HastaQueAparezcaGoyo [es] mba hanehoana ny  fiombonana amin'ny fianakaviana sy ny naman'i Jiménez de la Cruz.

Paola Rojas, mpanao gazety,  no isan'ny voalohany nizara izao teny izao tao amin'ny Twitter:

Namafisin'ny mpampanoa lalàna Manokan'i Veracruz fa novonoina i Gregorio Jiménez.

Nangatahan'i Jesús Robles Maloof, mpikatroka mafana fo, ny fialan'ny governoran'i Veracruz, izay toerana nanaovan'i Gregorio Jiménez de la Cruz ny asa maha-mpanao gazety azy :

Fotoana izao hanalana an'i  Javier Duarte ao amin'ny governemanta.

Nizara ity sary ity ny marainan'ny 11 Febroary ilay mpikatroka mafàna fo:

Hetsi-panoheran'ireo Meksikana Mpanao gazety manohitra ny herisetra ao #Veracruz. #HastaQueAparezcaGoyo [pic]. pic.twitter.com/1zPd1w8heb

Zarain'ny mpiserasera amin'ny Twitter, Másdel131, ny sary iray tamin'io hetsi-panoherana io :

Toherin'ny mpanao gazety ireo solontena avy amin'ny governemantan'i Veracruz  ao amin'ny distrika mizaka tena

Raha toa ka nametra-panontaniana i Pertaesus :

Manainga fanontaniana iray hafa mampangirifiry tsy misy hafa aminy ireo hataka ao amin'ny tenifototra hoe #HastaQueAparezcaGoyo, manao hoe–hafiriana vao ho tafaverina amin'ny izy ny firenentsika?

“Firenena iray faran'izay mampahatahotra indrindra ho an'ny mpanao gazety i Meksika,” araka ny tatitra nataon'ny Mpitatitra Tsy Voafehin'ny Sisintany. Nampian'io fikambanana io ihany koa fa ” maherin'ny 80 no maty ary 17 no tsy hita popoka nandritra ny folo taona lasa”. Tsy maintsy manampy io isa io ny fahafatesan'i Gregorio Jiménez de la Cruz.

Misy tontolon'ny ady sy herisetra tsy voafehy any Meksika, hatramin'ny nanaovan'ny Filoha teo aloha Felipe Calderón ny ady amin'ny zava-mahadomelina tamin'ny 2006. Raha tsaraina amin'ny fahafatesan'i Gregorio Jiménez de la Cruz, dia mbola mitohy ihany ny herisetra ao amin'ny firenena eo ambanin'ny fitondran'i Enrique Peña Nieto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.