- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaka-danja ny sehatrasam-pizahantany ao Albania, mampitombo ny fanahiana fanambakàna ny ankizy ara-nofo, hoy ny fampitandreman'ny tatitra iray vaovao

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Mediam-bahoaka, Tanora, Tsidika, Zon'olombelona

Iray amin'ireo toerana amorontsiraka be mpandeha ao Albania i Durrës. Saripika avy amin'i Genti Behramaj, CC BY-SA 4.0 [1], nandalo Wikimedia Commons [2].

Satria manomboka manana andraikitra goavana eo amin'ny toekaren'i Albania ny fizahan-tany, nampitandrina ny ONG-FTMF Albaney iray fa mety ho tandindonin-doza ny tanora ao amin'ny firenena noho ny anjara toeran'ny fototra ananan'ny sehatrasa fitsangatsanganana sy ny fizahan-tany amin'ny fanararaotana ara-toekarena sy ara-pananahan'ny ankizy.

Tao anatin'ny tatitra navoakan'izy ireo vao haingana, naneho ny ahiahiny ny Foiben'ny Zon'ny Ankizy Albania [3] (CRCA/ECPAT Albania) fa tsy ampy torohay sy fahalalàna amin'ny fifandraisan'ny sehatrasam-pandratoana sy fizahantany amin'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy ny manampahefana ao amin'ny sehatry ny fizahan-tany sy ny eo amin'ny rafitra fiarovana. Asehon’ny tatitra [4] ny fikarohana voalohany natao tany Albania momba ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy eo amin'ny sehatrasa fizahantany.

Mampidi-doza ireo ankizy tena marefo ny fanararaotana ara-nofo amin'ny fandratoana sy ny fizahan-tany. Ny fikarohana farany nataonay “Fanararaotana ara-nofo ny ankizy amin'ny fandratoana sy fizahan-tany any Albania” dia mampiseho fa hatramin'ny 40%-n'ny ankizy no miaina ao anaty fahantrana, ary ao anaty fahantrana lalina ny 14% amin'izy ireo!

Manampy amin’ny fampandrosoana ny toekaren’ny firenena ny fizahantany, indrindra eo amin’ny sehatry ny fandratoana, ny kolontsaina, ny haisakafo ary ny fandraisam-bahiny. Tamin'ny taona 2021 fotsiny dia nahazo [7] mpitsidika vahiny maherin'ny 5,6 tapitrisa i Albania, ary avy amin'ny Vondrona Eoropeana ny ankamaroany.

Saingy araka ny nambaran'ny fikarohana CRCA/ECPAT Albania:

“Child poverty remains one of the major issues for the exercise of the rights of the child, affecting at least 40 percent of children. The development of travel and tourism sector in Albania and the increase of both local and foreign tourists has amplified the risks of sexual exploitation of children in the tourism. In recent years, Albania has recorded an increase [8] in sexual crimes against children, including the sexual exploitation of children in prostitution, while trafficking for the purposes of economic and sexual exploitation continues to affect a high number of children.”

“Iray amin'ireo olana lehibe indrindra amin'ny fampiharana ny zon'ny ankizy ny fahantran'ny ankizy, izay misy fiantraikany amin'ny 40 isanjaton'ny ankizy farafahakeliny. Nanamafy ny loza ateraky ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy eo amin'ny fizahan-tany ny fivoaran'ny sehatry ny fandratoana sy fizahan-tany any Albania ary ny fitomboan'ny mpizahatany eto an-toerana sy avy any ivelany. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, nitombo ny heloka bevava ara-nofo [8] natao tamin’ny ankizy voarakitra ao Albania, anisan’izany ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy amin’ny fivarotan-tena, ary mbola ahitana ankizy maro dia maro ny fanondranana an-tsokosoko hanaovana fanararaotana ara-toe-karena sy ara-nofo.”

Araka ny voalazan'ny CRCA/ECPAT Albania, miharihay fa tsy nisy orinasa albaney eo amin'ny sehatry ny fandratoana sy fizahan-tany na dia iray aza nanao sonia ny Fehezan-dalàna fiarovana ny ankizy tsy ho tratran'ny fanararaotana ara-nofo amin'ny fandratoana sy ny fizahantany [9]. Tsy nandray anjara mihitsy tamin'ny ady amin'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy ny sehatra ary tsy manome torohay momba ny fiarovana ny ankizy amin'ny fanararaotana ara-nofo.

Nambaran'i Altin Hazizaj, Filoha Tale Jeneralin'ny CRCA/ECPAT Albania, nandritra ny lanonam-bahoaka [10] iray ny fitsapan-kevitra tao Tirana tamin'ny 21 Septambra:

“The main recommendations of the study focus on the development of new laws, policies and programs by the travel and tourism industry and the child protection system, aiming to put the protection of children from sexual exploitation at the center of all the initiatives, while law enforcement agencies and tourism operators should increase the level of information and training of staff on this issue, including the membership of hotels in the Code.”

“Ny fandrisihana fototra amin'ny fanadihadiana dia mifantoka amin'ny famolavolana lalàna, politika ary programa vaovao ataon'ny sehatrasa fandratoana sy fizahan-tany sy ny rafi-piarovana ankizy, ny hametraka ny fiarovana ny ankizy tsy ho tratran'ny fanararaotana ara-nofo no kendrena ho ivon'ny hetsika rehetra, raha toa ka tokony hampiakatra ny ambaratongan-torohay sy fanofanana mpiasa amin'ity raharaha ity ny sampan-draharahan'ny fampiharan-dalàna sy ny mpandraharaha ara-pizahantany, anisan'izany ny ikambanan'ny hotely amin'ny Fehezandalàna.”

Ny teny mahazatra ampiasaina amin'ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy amin'ny tontolon'ny fandratoana sy ny fizahan-tany (SECTT) dia “child sex tourism (fizahan-tany ara-pananahana amin'ny ankizy).” Ao amin'ny tatitr'izy ireo, mampitandrina ny CRCA/ECPAT Albania fa tsy voatonon'ity fomba fiteny ity ny toetra maha-heloka bevava ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy, fa lasa toa manome endrika karazana “fizahan-tany”. Naverin'izy ireo indray ny famaritana ny raharaha [11] nampiasain'ireo mpanorina ny Fehezan-dalàna, izay milaza hoe:

SECTT is not another form of tourism, it is a crime – and should be named as such. Offenders who abuse and exploit children are not ‘sex tourists’ – they are criminals.

Tsy endrika fizahan-tany hafa ny SECTT, heloka bevava – ary tokony hotononina ho toy izany. Tsy ‘mpihaza nofo’ ireo mpanitsakitsaka (lalàna) izay manararaotra sy manambaka ny ankizy – fa jiolahy.