Tantara tamin'ny 19 Oktobra 2022
Ny fomba nanomezan'ny mozika highlife Igbo fanantenana ho an'i Nizeria taorian'ny ady an-trano iray nandravarava
Nanome fanantenana taorian'ny ady an-trano ry zareo Oriental Brothers. Vavolombelon'ny fanavaozana ny ‘egwu ekpili’ ny taona 80. Taty aoriana, nankalazain'ny traikefan'ny fampisehoana mivantana nataon'ny Bright Chimezie ny highlife Igbo nandritra ny taona 90.
Miaka-danja ny sehatrasam-pizahantany ao Albania, mampitombo ny fanahiana fanambakàna ny ankizy ara-nofo, hoy ny fampitandreman'ny tatitra iray vaovao
Tao anatin'ny tatitra navoakan'izy ireo vao haingana, naneho ny ahiahiny ny Foiben'ny Zon'ny Ankizy Albania (CRCA/ECPAT Albania) fa tsy ampy torohay sy fahalalàna amin'ny fifandraisan'ny sehatrasam-pandratoana sy fizahantany amin'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy ny manampahefana ao amin'ny sehatry ny fizahan-tany sy ny eo amin'ny rafitra fiarovana.
Mijoro ho firaisankina amin'ny vehivavy ao Iran ny vehivavy ao Torkia
Ao amin'ny firenena iray izay miharatsy hatrany ny zon'ny vehivavy, akaiky ny tranony ny famonoana an'i Mahsa Amini, naneho firaisankina tamin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy hatramin'izao ao Iran ireo vehivavy avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ao Tiorkia.