- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

WATCH: resadresaka nifanaovana tamin'i Jillian C. York momba ny bokiny izay hivoaka “Silicon Values”

Sokajy: Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, GV Insights

Iza no manana fahefana hanapa-kevitra amin'izay tokony na tsy tokony hivoaka amin'ny aterineto? Satria ny tontolom-bahoaka dia lasa sehatra an'olona tsotra na tsy miankina (privé), iza no hijery ny mpijery?

Ao amin'ity resadresaka [1] [mg] nifanaovana tamin’Ivan Sigal [2], tale mpanatanteraka ny Global Voices izay nalefa mivantana anjotra tamin'ny 10 febroary 2021 ity, ny mpanoratra sady mpikatroka Jillian C. York [3] niresaka momba ireo fanontaniana etsy ambony, miaraka amin'ireo olana sy lohahevitra hafa maro amin'izao fotoana resahany ao amin'ny bokiny hoavy, “Silicon Values: The Future of Free Speech Under Surveillance Capitalism,” [Soatoavin'i Silicon: Ny hoavin'ny fahalalaham-pitenenana ambany fanarahamason'ny kapitalisma] izay hahazo ny talantalan'ny fivarotam-boky amin'ny 23 marsa 2021. 

Manafara mialoha ny kopianao amin'ny “Silicon Values” amin'ny alalan’ity rohy [4] ity ary ampio ny fanohanana ny Global Voices!