- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

(2010) Kolombia: Fanomezana virtoaly ho an'i Medellín noho ny faha 335 taonany

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tantara

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2010)

Nankalaza ny faha 335 taona niorenany ny tanàndehiben'i Medellín [1] ny 2 Novambra  2010. Nosokafana tao amin'ny Twitter ny kaonty @cumplemedellin [2] mba hahafahan'ny olom-pireneny misioka ny fanomezana fanamarihana tian'izy ireo atolotra ny tanàndehibe noho ity fotoana ity. Toy izao ny fanasana niely tao amin'ny Twitter [3]:

Y vos….¿Qué le querés regalar a Medellín?

Ary ianao… Inona no tianao homena an'i Medellín?

Niaraka tamin'ny hoe [4]:

335 años no se cumplen todos los días. Para hacerle un regalo a Medellín en su día utiliza #felizcumplemedellin [5]

Tsy isan'andro ianao no 335 taona. Ampiasao ny #felizcumplemedellin [5] mba hanolorana fanomezana ho an'i Medellín amin'ity androny ity.

[6]

Lapan'ny Kolontsaina Rafael Uribe. Medellín, Septambra 2008. Sary avy amin'i Martiza Sánchez, mpisera Flickr Colores Mari, nampiasana lisansa Attribution-ShareAlike 2.0 Generic Creative Commons. Jereo ny faran'ny lahatsoratra ho an'ny andian-tsary feno mampiseho an'i Medellín avy amin'i Mariza Sánchez.

Nipoitra tamin'ny alàlan'ny tetikasa Feliz cumple Medellín [es] [7] (Arahaba nahatratra ny tsingeritaonanao ry Medellín), notarihin'ny governemanta monisipaly [8] tao an-tanàndehibe [es] ary notohanan'ny bilaogera sy ireo mpisera Twitter ny hetsika iray manontolo. Misy sarintany ihany koa ny tetikasa mba hahitana ny toerana niavian'ny fanomezana [9] [es]. Efa betsaka ireo mpisera nandefa ny fanomezana tao amin'ny Twitter na dia tsy mbola tonga aza ny volana Novambra.

Nanoratra ny iray amin'ireo fanomezana ankapobeny ny fireharehana amin'ny “teraka teto,” toa an'i Fabián Duque Montoya (@fduquemontoya [10]):

#felizcumplemedellin [5] @cumplemedellin [11] yo a Medellín en su cumple le voy a regalar todo mi orgullo por haber nacido aquí.

#felizcumplemedellin @ cumplemedellin ho an'i Medellín noho ny tsingerintaonany, omeko azy ny reharehako rehetra noho ny nahaterahako teto.

Hoy i Jairo Daniel Cortés (@jairodcortes [12]) hoe:

@Telemedellin [13] YO NO ELEGÍ SER PAISA, SÓLO TUVE MUCHA SUERTE! LAS GANAS Y LA GENTE CELEBRAN SU CUMPLEAÑOS! FELIZ CUMPLE! #felizcumplemedellin [5]

@ Telemedellin TSY NISAFIDY HO PAISA AHO FA TSARA VINTANA FOTSINY! MANKALAZA NY NIFORONANAO NY VAHOAKA! ARAHABAINA! #felizcumplemedellin

Nandefa hafatra fanantenana tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter-ny i Sergio Calderón Osa (@SerchoVirtual [14]):

@cumplemedellin [11] yo le regalo las ganas de querer hacer mucho por mi ciudad ¡linda carajo!

@cumplemedellin Omeko an'i [Medellín] ny faniriako hanao zavatra betsaka ho an'ny tanànako. Tsara ery ianao!

Nizara sary ny hafa, toa an'i Maria Fernanda Arias (@mafeariasg [15]):

@cumplemedellin [11] A Medellín le regalo esta foto http://www.flickr.com/photos/mafernanda/456686100/ [16] #felizcumplemedellin [5]

@cumplemedellin Omeko an'i Medellín ity sary ity http://www.flickr.com/photos/mafernanda/456686100/ [16] #felizcumplemedellin [5]

Nizara sary manokana kokoa i Perla Toro (@PerlaToro [17]):

También le regalo a @cumplemedellin [11] el recuerdo de una tarde enamorada. http://twitpic.com/2p285b [18]

Omeko fahatsiarovana ny tolakandro nitiavana ihany koa ny @cumplemedellin [11].

Anisan'ny zavatra “omena ho fanomezana” ihany koa ny hatsaran-tarehin'ny tanàndehibe. Hoy i Sebastián Regino (@SebastianRegino [19]) nanoratra:

@cumplemedellin [11] A medellin le voy a regalar un espejo para que se mire y se de cuenta lo bonita que está!

@cumplemedellin [11] omeko fitaratra i Medellín hahafahany mahatsapa ny hatsaratarehiny!

Nanome toky i Federico Villegas (@federicoco [20]):

Le voy a regalar a Medellín en su cumple, regar más seguido las matas del balcón hasta que vuelvan a ser verdes @cumplemedellin [11]

Omeko an'i Medellín ny [fanomezana] noho ny tsingerintaona niforonany, [ho tondrahako] matetika ireo zavamaniry eo an-davarangako mandra-paha maitso azy ireo indray @cumplemedellin [11]

Ary farany, iray amin'ireo fanomezana miavaka farany indrindra ny andian-tsarin'i Medellín avy amin'i Maritza Sánchez (@ColoresMari [21]); navoaka etsy ambany ny andian-tsary Flickr. Namoaka ity sioka [22] ity ny kaonty Twitter-n'ny tetikasa izay nanambarany ny fanomezana:

@ColoresMari [23] le regaló a Medellín unas fotos hermosas: http://felizcumplemedellin.com/?p=134 [24] y vos..¿Qué le vas a regalar?

Nanome sary mahafinaritra vitsivitsy ho an'i Medellín ny @ColoresMari [23]: http://felizcumplemedellin.com/? [24] ary ianao..Inona no omenao an'i [Medellín]?