- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Handrafitra lalàna iray mikasika ny aterineto i Zambia mba hanaraha-maso ireo media “mpanaratsy”

Sokajy: Afrika Mainty, Zambia, Fidirana, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2014)

Lusaka skyline. Photo by Mike Lee via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Trano mijoalajoala ao Lusaka. Sary an'i Mike Lee tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Eo ampandrafetana lalàna iray natokany mba hiadiana amin'ireo media anaty tambajotra sy hiadiana amin'ireo “fanararaotana amin'ny aterineto” sy ny heloka bevava atao amin'ny aterineto izao ny governemanta. Ny sekretera maharitra miandraikitra ny fampahalalam-baovao sy ny Fampielezam-peo, Bert Mushala, no namoha ny lalàna niaraka tamin'ny minisitry ny Fampahalalam-baovao, Joseph Katema, raha tonga tao aminy ireo mpanao gazety roa, tao amin'ny trano fampahalalam-baovao tao amin'ny faritanin'i Copperbelt, 400 km eo ho eo any avaratr'i Luzaka, renivohitra.

Katema, araka ny tantara iray ao amin'ny Zambian Watchdog [1] izay notaterina voalohany tany amin'ny lahatsoratr'ireo [2] mpilaza vaovao nahazatra, no nanambara fa tsy mahazo fahazoam-baovao azo itokisana ireo Zambiana monina any amin'ireo faritra sasany satria ireo media sasany sy ireo famoahana hafa anaty tambajotra lany andro fotsiny amin'ny ompa sy fanelezana honohono manimba ireo vaovao marim-pototra, tatitra ary ireo olana amin'ny fampandrosoana.

Niteny i Katema hoe:

Nikasa ny hanitatra ny fototry ny fampahalalam-baovao ny governemantan'ny PF mba ho azon'ny daholobe. Tsapan'ny governemanta ny tsy fahampiam-baovao, izay no antony mahatonga anay nametraka politika manohana ny fitomboan'ireo media. Mahita onjampeo kristianina marobe sy onjampeo tsy miankina maro noho ny hatrizay ianareo ankehitriny”, hoy izy. “Saingy adidinareo [mpanao gazety], no mandray andraikitra, satria ny vahoaka ao Zambia tsy hahatoky an'ireo tantara valamaty, tsy mahara-baovao ny olona, nefa raha tsy hanao afa-tsy  hipetraka eo amin'ny solosainareo ianareo, manomboha miresaka sy manao tantara valamaty…

Mushala, somary nameno an'ireo valintenin'ny minisitra Katema tamin'ny fanontanian'ireo mpanao gazety, taorian'ny fitsidihana nataony tamin'ireo orinasa fampahalalam-baovao, no nanambara fa tokony handray anjara ireo fikambanana sy ny mpiasa aminà media ho famolavolana ny politika mikasika ny media hiatrehana ny ady amin'ny heloka bevava atao amin'ny aterineto sy ireo fanararaotan-dratsy mifandraika aminy. “Misy andiam-panontaniana iray efa andalam-pizaràna ary tsy maintsy fenoinareo rehetra mialohan'ny hanasàna anareo hanatrika fivoriambem-pirenena”, hoy ny nambarany tamin'ireo mpanao gazety. “Tsy maintsy tsabointsika io toedraharaha io.”

Tsy mahagaga an'ireo mpanara-maso ny media Zambiana ny fanambaràna nataon'ireo tomponandraikitra roa avy ao amin'ny governemanta. Nanomboka hatramin'ny niasan'ny Patriotic Front (PF) tamin'ny taona 2011, nisy ireo fikasana hanampim-bava ireo tranokalam-baovao an'ireo media an'ny olom-pirenena  [3], toy ny Zambian Watchdog sy ny Zambia Reports. Im-betsaka no nosakanana ireo vohikala roa ireo tao amin'ny firenena ary nasehon'ireo manmpahefana ampahibemas ny hatezerany tamin'ny Watchdog. Lahatsoratra iray vao haingana mikasika an'i Zambia Reports no nilaza fa novahan'ny governemanta ireo vohikala roa [4], lazaina fa noho ny tsindry nataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miasa mpanome tànana. Na tsy ho vita aza ny hamantatra mazava  izay nanosika ireo manamaphefana hanova ny fisainany, loharanom-baovao iray tsy mitonona anarana no nanambara tamin'ny Zambia Reports fa: “Mafy loatra ny fampitandremana avy amin'ireo mpiara-miasa aminay eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ka dia naleon'ny manampahefana miezaka ny mijery izay zavatra hitranga amin'ny alàlan'ny famahàna ireo tranonkala.”

Mampihoron-koditra manokana ny tatitra iray an'ny Departemantam-Panjakana Amerikàna tamin'ny 2013, Tatitry ny Firenena mikasika ny Fampiharana ny Zon'olombelona ao Zambia [5], tao anatin'ny filazalazany an'ireo manampahefana Zambiana manao famoretana amin'ireo tranokalam-baovao anaty tambajotra:

Ny 24 jona ka hatramin'ny 16 jolay, nosakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ny Zambian Watchdog, famoahana an-tambajotra manohitra ny governemanta,  teo amin'ireo mpamatsy tolotra Aterineto rehetra (ISP) afa-tsy iray ihany. Nanomboka ny 16 jolay, tsy azo nidirana intsony avy amin'ireo mpanome tolotra aterineto miorina ao Zambia ny Zambian Watchdog. Novaina ny anaran'ny sehatra nampiantrano ny Zambian Watchdog ary nitohy nampiasa ny pejy Facebook-ny izy, izay azo nidirana tsara. Ny 28 jona, niaiky teo alohan'ny Antenimieram-pirenena ny filoha lefitra, Guy Scott, fa ny governemanta no nametra ny fidirana amin'ny tranokalam-baovao tao an-toerana. Nosamborin'ireo manampahefana ny olona telo voalaza ho mpandray anjara amin'ny Zambian Watchdog, Clayson Hamasaka, Thomas Zgambo, ary Wilson Pondamali, ary samy nampangaina avy ho “mitazona fitaovana maharikoriko”, ho “mitazona fitaovana mandrisika fisamantsamahana ary fikasana hamoaka izany” sy “mitazona tsy ara-dalàna taratasy fnanan'ny miaramila manokana”. Blaogy roa hafa anaty tambajotra, Zambia Reports sy ny Barotse Reports ihany koa no nosakanana, na dia malalaka aza izy roa ireo eo amin'ny Facebook ary amin'ny alàlan'ireo ISPs tsy Zambiana.

Raha naneho hevitra tamin'ny tantaran'ny Zambian Watchdog, nanoratra [1] i angoni chaiwo [fanehoankevitra tsy ananana rohy] hoe:

Mampanahy ahy ny handresen-dry zareo, ba [Atoa] katema sy ba [Atoa] mushala, ato ho ato ianareo dia hila ny fanohanan'ireo media izay tsy tianareo ireo ihany.  Hatsarao fotsiny ny toekarena, ary omeo lalàm-panorenana izahay.

Izany mihitsy, tsy maintsy miandry sy mijery ireo Zambiana hoe ato ho ato rahoviana ny governemantan'ny PF no hametraka ny lalàna mikasika ny Aterineto. Ireo fahazarana mitaredretra amin'ny ankapobeny rehefa manao lalàna dia manoso-kevitra fa mety haka fotoana misimisy izany — famantarana tsara ho an'ireo mpiaro ny zon'ny media.